𝙃𝙖𝙩𝙖𝙤 𝙫𝙖𝙞𝙣𝙙𝙤𝙝𝙖𝙣-𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙧𝙚𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙫𝙤𝙣𝙟𝙞𝙢𝙖𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙤𝙩𝙤𝙙𝙧𝙖𝙛𝙞𝙩𝙧𝙖𝙨𝙖 𝙝𝙖𝙝𝙖𝙛𝙖𝙝𝙖𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙫𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙫𝙚𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙖𝙨𝙖 𝙛𝙞𝙫𝙚𝙡𝙤𝙢𝙖𝙣𝙮 𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙣𝙤𝙝𝙞𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙖𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖.
Mpikambana 5 ao anatin’ny Governemanta no iraky ny Fitondrana Fanavaozana nidina tany Toamasina nijery ny zava-misy sy nikaroka ny fomba hoenti-manarina ny fahavoazana, noho ny haintrano tao amin’ny tsena Bazary kely, ka anisan’izany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Niara-dia tamin’izy ireo nihaino ny feon’ny tra-boina izay nosoloin’ny Lehiben’ny tsena tena ny Solombavambahoaka voafidy tao Toamasina sy ny Ben’ny Tanàna. Fanitso, hazo, fantsika, simenitra no filàna maika andrandrain’ireo simba sy potika fananana.
Namaly fitenenana moa ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana (MID) Hanitra Velonjara Tiaray RAKOTONANDRASANA izay naneho fa anton’izao dia nanirahan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiminisitra azy ireo izao ny fitadiavam-bahaolana.
Avy hatrany, taorian’izay, dia nivory tao amin’ny efitranon’ny Pact ireo iraky ny Fitondram-panjakana sy ireo Manampahefana olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana, nijery ireo fitaovana sy kojakoja ilaina amin’ny fanarenana vonjimaika sy ny tombam-bidin’izany.
Samy nampanantena hitondra ny anjara birikiny ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Ho an’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana manokana dia efa vonona, azo ampiasaina avy hatrany araka izay fandaminana, ny simenitra 100 lasaka sy fanitso 100.
Nanamafy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON fa hojerena manokana mba tsy hisy fiatraikany amin’ny famatsiana ny entana ilaina andavanandro ho an’ny mponina manodidina sy ao Toamasina ny fahamaizan’ny Bazary Kely.
Nifanojo indrindra tamin’izao fahatongavan’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta any Toamasina izao koa ny fahamaizan’ny trano fonenana iray tao Tanamakoa Toamasina ka nizaha izany teny an-toerana ko aizy ireo.
