๐๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ยซ ๐๐ค๐๐ง๐ ๐๐๐๐ผ 2026 ยป ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ), ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐
Tsy mijanona ho hetsika tsotra intsony ny Foire MEVA satria raha foaram-paritra (Foire Rรฉgionale) no niandohany, dia lasa Foara iraisam-pirenena (Foire Internationale) izany ankehitriny. Mitombo isan-taona ny fahatokisan’ireo mpandraharaha sy mpiara-miombon’antoka ny Foara MEVA izay porofon’ny firoboroboan’ny toekaren’ny Faritra DIANA sy ny fisokafan’i Madagasikara amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena.
Nankasitraka ny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (CCI) Antsiranana tarihinโny Filohany Laou-Po Wing Wilfrid, mpikarakara ny Foire MEVA, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana izay sady mpiahy ny hetsika nandritra ny lanonam-panokafana nanoloana ny Lapanโny Tanร na.
Azonโny rehetra tsidihana mandritra ny 4 andro ny tranoheva 115 hampirantianโny orinasa sy mpandraharaha avy aminโny faritra samihafa manerana anโi Madagasikara sy avy any Mayotte sy La Rรฉunion. Misy koa ny dinidinika toy izay karakarainโny EDBM (Economic Dvelopment Board of Madagascar) hiresahana ny momba ny tontolo manodidina ny fandraharahana any aminโny Faritra DIANA. ยซ ๐๐ป๐ข๐ฐ ๐ง๐ฐ๐ข๐ณ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฎ๐ฐ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฉ๐ช๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ป๐ข๐ณร ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฐ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ญ๐ข๐ช๐ฏ๐ข, ๐ฎ๐ช๐ต๐ฐ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ด๐ฐ๐ฌ๐ข๐ง๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ช๐ท๐ฆ๐ญ๐ข๐ฏ๐บ ๐ด๐บ ๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ช๐ฏ๐บ ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON.
Nambaranโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana moa fa hahafantatra indrindra koa ny zava-misy any aminโny faritra hahafahana mijery vahaolana sahaza no nandefasanโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblika sy ny Praiministra ny Minisitra toy izao.
Anisanโireo nanotrona ny lanonam-panokafana ny Foire MEVA 2026 ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Ibrahim ISSA sy Solombavambahoaka hafa, ny Lehibenโny Faritra SAVA sy ny PrefenโAntsiranana.
