๐๐๐๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐ข๐๐๐ฉ๐จ๐ค ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐๐ค๐ก๐ฎ ๐๐ง๐๐ค ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ซ๐ค๐๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐ง๐-๐๐๐๐จ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐ (๐ผ๐ก๐ก๐๐๐ฃ๐๐ ๐ฅ๐ค๐ช๐ง ๐ก๐ ๐๐๐ฃ๐๐ก๐ก๐ ๐๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ) ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค๐๐๐ ๐จ๐ฎ ๐ฟ๐๐ผ๐๐ผ.
Lavanila maitso 2300kg no voaangonโny orinasa iray vita fifanarahana taminโny AVM tao aminโny fokontany Ampombirejy, kaominina Ambodisikidy, any aminโny distrikanโi Bealanana omaly Alarobia 29 Jolay 2026. Hitohy anio izany fividianana lavanila mivantana aminโny tantsaha mpamboly ao Ampombirejy izany.
Ny Alatsinainy 27 Jolay 2026 lasa teo dia tantsaha mpamokatra 28 koa no efa nisitraka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantananโny AVM tao aminโny Fokontany Ambodimadiro, kaominina Antanagnivo, distrikanโi Bealanana ka nahalafo lavanila maitso 790kg taminโny orinasa miara-miasa aminโny AVM. Ny 470kg taminโizany dia lavanila maitso lava raha 320kg ny fohy.
Mbola hitohy aminโny kaominina hafa ny fividiananโireo mpandraharaha nalefanโny AVM ireo lavanila maitso aminโny vidiny 10000Ar ny lavanila maitso lava sy 5000Ar ny lavanila maitso fohy.
Ho anโny Faritra DIANA dia natomboka taminโny fividiananโny AVM lavanila voaomana taminโireo mpandraharaha mpikarakara mpanondrana ny fiaraha-miasa. Orinasa roa dia ny Sociรฉtรฉ LA GOUSSE DOREE SARL sy ANTONI STEPHIN no nanatanterahana izany tao Ambanja ny Alatsinainy 27 Jolay 2026. Lavanila mena sy mainty efa vonona aminโny fanondranana ireo nifampivarotana ireo.
