๐๐๐ฃ๐ค๐๐ฎ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฅ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐.
ATSINANANA : Novorianโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, nampahafantarina ny fisianโny haban-tseranana 20% alaina aminโny fanafarana vary sy TVA 5% fanampiny aminโny Riz de luxe, ireo mpandraharaha mpanafatra vary sy entana hafa ao Toamasina ny 13 Jolay 2026. Nambara taminโizy ireo fa fepetra vonjimaika ihany izy io fa miankina aminโny fivoaranโny tsenanโny vary vokatra avy eto an-toerana ny faharetanโny fampiharana azy. Nanome toky ireo mpandraharaha ireo fa tsy hampijanona ny fanafarana izay efa nataony, fa ny habetsahany no hahenany aloha. Nampahatsiahivina azy ireo taminโizao fihaonana izao koa ny tsy maintsy anaovany fanambarร na tahiry.
ATSIMO ATSINANANA : Nampahafantarinโny DRCC Atsimo Atsinanana taminโireo mpamongady ao antampon-tanร nanโi Farafangana ny voalazanโny Didim-pitondrana mifehy ny fanambarร na tahiry nandritra ny fivoriana ny 13 Jolay 2024. Hahamora ny fifandraisana dia niarahana nanapaka fa hisy ny fanokafana vondrona WhatsApp izay andefasan’ireo mpandraharaha ny fanambarร na tahiry ho any amin’ny Fitaleavam-paritra. Tsy maintsy mitahiry ireo taratasy fanambarร na tahiry ireo anefa ny mpandraharaha satria dia hisy ny fitsirihana tampoka ataon’ireo mpanaramaso ny varotra.
ATSIMO ANDREFANA : Efa taminโny 09 Jolay 2026 kosa no nahavita ny famoriana ireo mpanafatra entana miasa ao Toliara, tao aminโny biraony ao Tsianaloky, ny Fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana. Nambaranโny Talem-paritra taminโizany fa fepetra vojimaika no noraisin’ny Fanjakana nandritra ny Filankevitry ny Ministra, amin’ny fanasiana hetra aminโny vary Riz de luxe afarana. Notsipihany fa tsy tratran’io fepetra io ny vary tsotra ahitana fahavakisana 25% ka tsy tokony hisy fiatraikany aminโny vidiny izany. Taminโio fihaonana io koa no nampahafantarana ny fisianโny Didim-pitondrana navoakanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) momba ny fanambarร na tahiry.
