๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ ๐ ๐ข๐ฅ๐๐๐ง๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐๐ข๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐ ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐.
Tsy nihanona taminโny fanadihadiana ireo mararinโny fahapoizinana ara-tsakafo teny aminโny Hopitaly CHU Anosiala sy ny famotopotorana ireo mpivarotra teny Andranoro ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana fa nidina mihitsy hatrany aminโny orinasa mpamokatra ny menaka nahiahiana.
Nitarika ireo kaomisera sy mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana izay nanomboka avy hatrany ny fitsirihana, vantany vao tonga tany an-toerana, ny Tale jeneralinโny Varotra sy ny Fanjifana (DGCIC) Gilchrist RAKOTOSON. Niaraka taminโireo iraka ireo ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Atsinanana.
Samy niasanโizy ireo avokoa ny ozinina roa mamokatra menaka. Hatreto dia hita fa manaraka ny fenitra ny famokarana ary manana certificat de consommabilitรฉ (taratasy fanamarinana fa azon’olombelona hohanina) mifandraika amin’izany izy ireo. Na izany aza anefa dia mbola nangalana singa ny vokatra avy aminโireo toeram-pamokarana roa ireo, na menaka mbola tsy voadio izany na menaka voadio, mba hanaovana fitiliana manokana hamantarana raha tena manaraka ny fenitra tokoa ny menaka vokarinโny orinasa eto an-toerana.
Notoroina hevitra ihany koa ny Mpitantana ny orinasa hanamafy ny fanazavana sy fanoroana ny mpanjifa ny tokony hataony sy ny tsy tokony hataony rehefa mampiasa ny menaka vokarinโny orinasa izy ireo. Nanaiky izany moa ny tomponandraikitra.
Manana certificat de consommabilitรฉ avokoa ny entana fihinana mialoha ny hamarotana azy. Tsy mandefitra anefa ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana raha misy tranga tsy fanajana Lalร na.
