𝙈𝙖𝙣𝙖𝙤 𝙣𝙮 𝙚𝙯𝙖𝙠𝙖 𝙧𝙚𝙝𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙡𝙖𝙫𝙞𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙞𝙢𝙗𝙖 𝙨𝙮 𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙙𝙖𝙩𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙝𝙤 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙯𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙤.
IHOROMBE : Notanterahana ny 02 Jolay 2026 tao amin’ny toby fanariam-pakon’ny Kaominina ambonivohitra Ihosy ny fandoroana sy fandevonana ireo entana lany daty voaangona hatramin’ny taona 2025. Cube sauce, ranomboankazo, bisky, vatomamy, couche bébé, ronono mandry mamy no betsaka tamin’ireo karazan’entana nolevonina ireo. Naharitra ora roa sy sasany ny fanatontosana izany.
VAKINANKARATRA : Nandritra ny roa andro ny fitsirihana ireo entana amidy rehetra eny amin’ireo toeram-pivarotana eny amin’ny toby fitsinjarana solika ao Antsirabe. Nahitana entana lany daty isan-karazany toy ny ranomboakazo amin’ny tavoahangy kely 3, dot 4 miisa 12, kojakoja fampiasa amin’ny fiara 12, bisky 3, yaourt 7, savony ranony 2, chips 2 sy entana hafa koa ireo toeram-pivarotana 11 nandalovan’ny mpanaramaso avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vakinankaratra. Nogiazana avy hatrany ireo entana rehetra lany daty ary nirosoana fombafomba fanao ara-panjakana amin’ny toe-javatra toy izao.
MELAKY : Tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Morafenobe dia mpivarotra mpaninjara sy fivarotam-panafody (dépôt de médicaments) no nanatanterahan’ny mpanaramaso avy amin’ny Fitaleavam-paritra Melaky ny asany. Noesorina avy hatrany ireo bisky lany daty 2 fonosana miampy singany 4 tratra nandritra ny fisafoana. Noentanina ny fivarotam-panafody hikarakara ny taratasy hahatomombana ny fahafahany manao izany.
FITOVINANY : Nisy ny fanaraha-maso ny entana amidy eny amin’ny tsena tao amin’ny Bazar Tanambao any Manakara. Mpivarotra maromaro no nanaovana ny fisavana fa tsy nahitana entana lany daty tao amin’izy ireo. Namory ihany koa ireo mpivaro-kena miisa 22 tao Manakara ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana nanentanana azy ireo mahakasika ny fanarahan-dalàna.
ANOSY : Sakafo simba noho ny fitahirizana milanja 40 taonina, ahitana vary, ampemby (sorgho), voanemba maina voavaky (pois cassé), vovo-katsaka misy vitamina, no nodorana tamin’iny herinandro lasa iny. Ny tompon’ny entana ihany no nanambara ny fisian’izany fahasimbana izany. Niarahana nanao ny fitiliana, ka rehefa nivaly izany dia nambara fa tsy azon’olombelona hohanina intsony ireo sakafo ireo.
