๐๐ค๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ค๐ข-๐ฅ๐๐ค๐ฉ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ 2026 ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ข๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐. ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐ ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ค 2200๐ผ๐ง ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฎ ๐ ๐๐ก๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐๐ค๐ง๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐๐จ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ฉ๐๐จ๐๐ (๐๐๐).
Nitohy avy hatrany taminโny fitsidihana teny aminโny sambo hitondra ireo vokatra ho aondrana any ivelany sy dinika niarahana taminโireo mpandraharaha mivondrona ao aminโny GEL ny lanonam-panokafana ny taom-piotazana sy fanondranana letisia natao tao aminโny Kaominina Tananambo Toamasina II omaly 19 Novambra 2026 hariva.
Nanotrona izao fotoam-panokafana ofisialy notarihinโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON izao ny mpikambana ao aminโny GEL notarihinโny Filohany Roland RATSIRAKA ary ireo olom-boafidy sy manampahefana any an-toerana.
ยซ ๐๐ด๐บ ๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ง๐ฐ๐ต๐ด๐ช๐ฏ๐บ ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ญ๐ฆ๐ต๐ช๐ด๐ช๐ข. ๐๐ฏ๐ฌ๐ฐ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข-๐ท๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ป๐บ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฆ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ช๐ฌโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ช๐ป๐บ ยป, hoy ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON tao Tananambo.
Nitondra teny fisaorana sy fankasitrahana ny manampahefana sy mpisehatra, indrindra ny Vondronโny mpanondrana letisia, ny Minisitra aminโny fiaraha-mientana aminโny fikarohan-kevitra sy paikady hanamafisana ny toeranโny letisia malagasy. ยซ ๐๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฌ๐บ ๐ฏ๐ฐ๐ฎ๐ฆ๐ฌ๐ฐ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ช๐ฌ๐ฐ ๐ต๐ฆ๐ฐ ๐ข๐ฏ๐ช๐ท๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ข๐ฏ๐ฌ๐ฆ๐ท๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ฐ๐ท๐ฆ๐ณ๐ฏ๐ฆ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ต๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ญ๐ข๐ฏ๐ฌ๐ฆ๐ท๐ช๐ต๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฌ๐ฆ๐ท๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐ช๐ท๐ฐ๐ข๐ฌ๐ข ๐ต๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ด๐ด๐ช๐ด๐ฆ๐ด ๐ฏ๐ข๐ต๐ช๐ฐ๐ฏ๐ข๐ญ๐ฆ๐ด ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ฏ๐ข ยป, hoy izy.
Mikasika ny vidinโny letisia hividiananโny mpandraharaha mpanondrana azy dia nanaiky ny hampiakarana izany ho 2200Ar ny GEL rehefa natao ny fifampiresahana. Vidiny farany ambany mijery ny zava-misy iainan’ny rehetra io, indrindra ny mpamboly. Nentinโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana teo aminโireo mpandraharaha ireo ny fitarainanโny mpamboly sy mpanangom-bokatra na efa nisy aza ny vidy nifanarahana teo aloha.
Letisia 7500 taonina no hiainga voalohany ho any aminโny tsena eoropeana. Manodidina ny 30 kosa ireo mpandraharaha nahazo fahazoan-dalana hanondrana talohanโizao fanokafana ny taom-piotazana sy fanondranana letisia izao.
