𝙉𝙞𝙛𝙖𝙣𝙩𝙤𝙠𝙖 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙧𝙚𝙨𝙖𝙠𝙖 𝙆𝙖𝙡𝙞𝙩𝙖𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙚𝙡𝙖𝙗𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙖𝙧𝙖𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙙𝙞𝙝𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖, 𝙣𝙖𝙢𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙖𝙫𝙖𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙤𝙠𝙖𝙧𝙖𝙠𝙖𝙧𝙖𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙎𝙚𝙣𝙙𝙞𝙠𝙖 𝙢𝙖𝙝𝙖𝙡𝙚𝙤𝙩𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙆𝙖𝙤𝙢𝙞𝙨𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙛𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙩𝙤 𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 (𝙎𝘼𝘾𝘾𝘾𝙈) 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝘼𝙣𝙖𝙡𝙖𝙠𝙚𝙡𝙮.
Natao ity famelabelarana ity mba hampahafantarana ny besinimaro fa tsy ho an’ny orinasa lehibe ihany ny fenitra sy ny kalitao, fa fototra iankinan’ny fifampitokisana eo amin’ny mpivarotra sy ny mpanjifa, araka ny nitondran’ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) Yolandine NAMBOHOE azy tao amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo.
Nisongadina fa mifototra amin’ny antoka telo lehibe ny fampanjariana ny varotra sy ny fampiroboroboana ny orinasa eto amintsika : ny fanarahana ny fenitry ny vokatra, ny fahamarinan’ny fandrefesana ary ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Ny Tale jeneralin’ny Birao Nasionaly misahana ny Fenitra (BNM), Zarasoa RAKOTOMAHEFA dia nanazava ny fomba fandrafetana ny fenitra malagasy miaraka amin’ireo sehatra voakasika rehetra, ny fanamarinana ny vokatra sy ny fanomezana ny marika NMG ho antoky ny kalitao sy fanohanana ireo orinasa te-hivoatra.
« 𝘕𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘢𝘮𝘢𝘳𝘪𝘯𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘬𝘪𝘭𝘢𝘰, 𝘯𝘺 𝘭𝘪𝘵𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘵𝘳𝘢 𝘢𝘮𝘱𝘪𝘢𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘯-𝘵𝘴𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘦𝘯𝘺 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘱𝘢𝘰𝘮𝘱𝘪𝘯-𝘵𝘴𝘰𝘭𝘪𝘬𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘮𝘢𝘮𝘱𝘪𝘩𝘦𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘵𝘪𝘢𝘯𝘵𝘰𝘬𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘴𝘢𝘥𝘺 𝘮𝘢𝘯𝘰𝘮𝘦 𝘳𝘢𝘳𝘪𝘯𝘺 𝘯𝘺 𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘪𝘧𝘢 », hoy kosa ny Lehiben’ny Sampandraharaha momba ny Refy sy Lanja (SML) eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, Anthony ANDRIANAIVOSON.
Nitondra fanazavana mikasika ny fanaraha-maso akaiky atao eny an-tsena mba hiadiana amin’ny hosoka sy hiantohana vokatra azo antoka sy vaovao eny am-pelatanan’ny mpanjifa kosa ny Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fandaminana ara-pitaovana sy ny Fitantanana ireo vokatra tsy manara-penitra nogiazana, Claudie RAMALANJAONA.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana ny fanentanana fa tsy tokony ho sodokan’ny vidiny mirary ny mpanjifa na mpivarotra fa tokony hijery koa ny kalitao sy ny fahamarinan’ny vokatra.
