𝙉𝙖𝙝𝙖𝙡𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙩𝙧𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙚𝙡𝙖𝙗𝙚𝙡𝙖𝙧𝙖𝙣-𝙠𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙚𝙡𝙤 𝙨𝙤𝙨𝙤𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙤𝙙𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙛𝙖𝙣𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙖𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙇𝙖𝙥𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣à𝙣𝙖𝙣’𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤.
Ny avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fifaninanana sy ny Fandrindrana ny tsena (DCRM), ny Filankevitry ny Fifaninanana ary ny Fahefam-panjakana misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) indray no niatrika ny mpanotrona tetsy Analakely nandritra ny Valandresaka faharoa, anatin’ny hetsika fankalazana ny tsingerin-taona faha-60 nisian’ny Vondron’asa matihanin’ny Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana.
Raha namelabelatra ny momba ny fanaraha-maso, fitsirihana ary fandrindrana ny tsena, mba hisorohana ireo fomba fanao manohintohina ny fifaninanana ny Lehiben’ny Sampandraharaha ao amin’ny DCRM, Honorelle RAJAOFENO dia nifantoka tamin’ny fisorohana sy famaizana ireo fihetsika iarahan’ny orinasa manao izay mbola manohintohina ny fifaninanana ihany koa ny fanazavana nentin’ny solontena avy amin’ny Filankevitry ny Fifaninanana, Marcelle Claudia LANANA. Ireo tomponandraikitra roa avy amin’ny ANMCC moa dia namelabelatra ny momba ny fiarovana ny fifaninanana ara-drariny manoloana ireo fanakorontanana ateraky ny fanafarana entana avy any ivelany.
Nivoitra fa manana andraikitra lehibe amin’ny fiarovana ny tsena sy ny mpanjifa ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), amin’ny alalan’ny fampiharana ny Lalàna sy ny fandraisana fepetra hiantohana ny fifaninanana ara-drariny. Anisan’izany ny fiarovana ny orinasa sy ny mpamokatra eto an-toerana manoloana ny fanafarana mitombo tampoka, ny entana nahazo fanampiana ara-bola avy any ivelany ary ny fivarotana entana amin’ny vidiny ambany tsy ara-drariny (dumping). Tsy maintsy misy porofo mazava momba ny fahavoazana sy ny fifandraisany amin’ilay fanafarana anefa vao azo ampiharina ireo fepetra ireo.
