𝙉𝙤𝙫𝙚𝙡𝙖𝙗𝙚𝙡𝙖𝙧𝙞𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙞𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣-𝙠𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙩𝙚𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙇𝙖𝙥𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙏𝙖𝙣à𝙣𝙖𝙣’𝘼𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖𝙧𝙞𝙫𝙤 𝙣𝙮 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙠𝙖𝙣𝙮 𝙞𝙫𝙚𝙡𝙖𝙣𝙮 𝙩𝙤𝙮 𝙣𝙮 𝙚𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙕𝙇𝙀𝘾𝘼𝙛 𝙨𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙞𝙧𝙖𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙞𝙧𝙚𝙣𝙚𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙛𝙖.
Ny avy amin’ny Foibem-pitondrana ankapoben’ny Varotra ivelany (DGCE) eto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) no namaky lay ny andiam-pamelabelarana, tafiditra anatin’ny fankalazana ny jobily Diamondran’ny Vondron’asa matihanin’ny Kaomiseran’ny Varotra sy ny Fifaninanana.
Lohahevitra tamin’izany ny fanamafisana ny fampidirana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny varotra, fampiroboroboana ny fanondranana entana sy vokatra ary fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra.
Nambaran’ny Tale jeneralin’ny Varotra ivelany, Tiava RAJOHNSON fa andraikitra lehibe sahanin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny fitadiavana lalam-barotra sy ny famolavolana drafitr’asa hahafahana manafika ireo tsena any ivelany. « 𝘌𝘰 𝘬𝘰𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘮𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘢-𝘣𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘴𝘢𝘵𝘳𝘪𝘢 𝘯𝘢 𝘩𝘪𝘵𝘢 𝘢𝘻𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘴𝘦𝘯𝘢 𝘬𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘢𝘰 𝘢𝘥𝘪𝘴𝘪𝘴𝘪𝘬𝘢 𝘵𝘰𝘺 𝘪𝘯𝘰𝘯𝘢, 𝘳𝘦𝘩𝘦𝘧𝘢 𝘩𝘢𝘴𝘢𝘳𝘰𝘵𝘪𝘯𝘢 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘯𝘢𝘰𝘷𝘢𝘯𝘢 𝘳𝘢𝘩𝘢𝘳𝘢𝘩𝘢 𝘮𝘰𝘮𝘣𝘢 𝘯𝘺 𝘷𝘢𝘳𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 𝘥𝘪𝘢 𝘵𝘴𝘺 𝘩𝘪𝘴𝘺 𝘷𝘰𝘬𝘢𝘯𝘺 », hoy izy.
Nivoitra tamin’izao famelabelaran-kevitra izao fa tsena iray lehibe ahafahan’i Madagasikara manondrana entana makany amin’ny firenena miisa 54 eto Afrika ny tsenan’ny ZLECAf (Faritra malalaka ara-barotry ny Kaontinanta afrikana).
