𝙈𝙖𝙙𝙖𝙜𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙩𝙧𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖 𝙖𝙯𝙞𝙖𝙩𝙞𝙠𝙖 𝙢𝙤𝙢𝙗𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙖𝙩𝙤𝙧𝙖𝙡𝙮 𝙖𝙢𝙥𝙞𝙖𝙨𝙖𝙞𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙠𝙤𝙨𝙢𝙚𝙩𝙞𝙠𝙖.
Tontosa ny 03 hatramin’ny 05 Novambra 2026 ny Salon In Cosmetics Asia 2026 ary ny 06 hatramin’ny 09 Novambra ny iraka ara-toekarena sy ara-barotra nataon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) tany Bangkok, Thailande, izay nandraisan’ny Talen’ny Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny any ivelany (DPEE) sy ny Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Fampiroboroboana ny fanondranana entana any ivelany anjara.
Mpandraharaha 6 mpamokatra lohamenaka natoraly mpikambana ao amin’ny GEHEM (Groupement des Exportateurs d’Huiles Essentielles de Madagascar) no nitondra ny vokatra malagasy tany amin’ity hetsika lehibe ity. Nahazo ny fanohanan’ny Projet PIC (Pôles Intégrés de Croissance) moa ny fisoloana tena an’i Madagasikara tamin’izao iraka ara-toekarena sy ara-barotra izao.
Tanjona tamin’izany ny :
– fisokafana amin’ny tsena vaovao ;
– fampahafantarana ny vokatra lohamenaka malagasy teo amin’ny tsena aziatika ;
– fahafantarana ny filan’io tsena io ;
– fanatsarana ny fanodinana vokatra eto an-toerana hampitombo ny tombam-bidy rehefa amidy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ;
– fitadiavana fifanarahana ara-barotra maharitra ;
– fianarana ny fomba fanao nahomby nampiasain’ny aziatika hampiroboroboana ny tsena sy fanondranana.
Nandritra izany dia nisy ny fihaonana tamin’ny fivondronan’ny mpandraharaha mpanao hanitra (épices) sy lohamenaka ka nahafahana nifampizara ny vokatra ananan’ny Madagasikara sy ny laharam-pifandraisana ahafahana manohy ny fiaraha-miasa maharitra.
Tsapa fa liana amin’ny vokatra malagasy ny tsena aziatika ary mila ampirisihana ny fandraisana anjara amin’ny hetsika toy izao izay tena mitady ny vokatra natoraly ananan’i Madagasikara.
