ยซ ๐๐ค๐๐ง๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐ฎ ๐๐ค๐๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐๐ฎ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ซ๐๐ง๐ฃ๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐ ยป, ๐๐ค๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐๐ข๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ผ๐ ๐ผ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ค.
Nivoaka taminโny dinika notontosaina teny aminโny CCI Ivato nandritra ny roa andro fa ny Fitsapan-kevi-bahoakana no hotanterahina voalohany aminโny taona 2027. Hanaraka, aorianโizay, ny fifidianana rehetra.
Nambaranโny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON, nandritra ny fandraisam-pitenenany, fa ho an’ny tombontsoan’ny Malagasy irery ihany no anton’iny dinika iny.
Repoblika feno firahalahiana no hatolotra ny mpitondra manaraka eo. ยซ ๐๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ด๐ข ๐ง๐ช๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Lehibenโny Governemanta raha nilaza fa mila ajanona aminโizay ny fahazarana mizara zavatra mandritra ny fifidianana.
Nampahatsiahivinโny Praiministra ny teninโny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara manao hoe : Ny olombelona aloha no miova dia ny olombelona efa niova no manova ny rafitra.
Mbola hisy ny adihevitra momba ny Lalam-panorenana mandritra ny Fikaonandoham-pirenena izay nankinina taminโny FFKM ny fikarakarana azy.
Tomponโandraikitra isan-tsokajiny maro no tonga nanotrona ny lanonam-pamaranana ny dinika teny Ivato ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON. Nandray anjara nandritra ny roa andro koa ireo solontena avy aminโny vondron’antoko, antoko politika ary fikambanana.
