๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ก๐ค-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ค-๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ผ๐ฟ๐พ.
Madagasikara no firenena faha-14 aminโny 16 eo mpikambana ao aminโny SADC nankatoa ity Fifanarahana momba ny varo-draharaha ity izay nanan-kery nanomboka ny taona 2022. Nolanianโireo Solombavambahoaka nandritra ny Fivoriam-be azonโny rehetra natrehana, androany 11 Novambra 2026, ny Tolo-kevitra avy aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) aminโny tokony hankatoavana izany Fifanarahana izany.
Manan-danja eo aminโny toe-karem-pirenentsika ny varo-draharaha satria :
– miantoka ny 50%-nโny harin-karena faobe,
– mampiditra vola vahiny,
– misarika fampiasam-bola izay miteraka asa maro ho anโny mponina,
– manohana ny famokarana sy ny ny fanondranana entana,
– ary manatsara ny fahafaha-mifaninana.
Izao fankatoavanโny Antenimieram-pirenena izao dia maneho ny finiavana hampiroborobo ny varotra sy ny fifanakalozana, sy ny fampiasam-bola eo aminโny sehatry ny servisy, ary hanamafy ny fiaraha-miasa eo aminโireo mpiara-miombonโantoka.
Dingana lehibe izany ho aminโny fametrahana rafitra ara-dalร na mifehy ny fifanakalozana ara-barotra eo aminโny sehatry ny servisy ary ho fandraisana anjara aminโny fampandrosoana ara-toekarena.
