๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐ ๐๐๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ ๐๐ก๐๐ฉ๐๐ค ๐๐ง๐๐ค ๐ ๐๐ค๐ฅ๐๐ง๐๐ฉ๐๐ซ๐ ๐ข๐ฅ๐๐ข๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐จ๐ฎ ๐ ๐๐ ๐๐ค, ๐ฉ๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐๐ ๐๐จ๐ ๐๐๐พ (๐รด๐ก๐๐จ ๐๐ฃ๐ฉรฉ๐๐งรฉ๐จ ๐๐ ๐พ๐ง๐ค๐๐จ๐จ๐๐ฃ๐๐), ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฟ๐๐ผ๐๐ผ.
Raha roa andro, ny 05 sy 06 Novambra 2026, no nanatontosana ny atrikasa fampitomboana fahaiza-manao mamba ny fenitra sy kalitao tao Ambanja dia roa andro toy izay koa, talohanโio, ny 03 sy 04 Novambra ny anjaranโi Nosy Be.
Nampahafantarina ireo mpisehatra lavanila sy kakao 50 vory tao aminโny Palma Nova Ambanja ny fepetra takianโny fenitra eto Madagasikara mba hanatsarany ny fomba fiasany sy ny fikirakirany ny vokatra ka hahafahany miditra aminโny tsena any ivelany. Misy ny tsena mbola misokatra toy ny tsenanโny ZLECAf ary msiy koa ny tsena azo trandrahana ankoatra ny efa mahazatra. ยซ ๐๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ข๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ซ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ฆ๐ฏ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฌ๐ข๐ญ๐ช๐ต๐ข๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐บ ๐ต๐ข๐ฌ๐ช๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฆ๐ง๐ข ๐ฏ๐ฐ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ยป, hoy ny Tale jeneralinโny Birao malagasy misahana ny Fenitra (BNM), Sitraka Zarasoa RAKOTOMAHEFA, tao Ambanja.
Tao Nosy Be dia anisanโireo nandray anjara taminโny fiofanana ireo kaoperativa sy orinasa mpikambana ao aminโny PHENB (Plateforme des Huiles Essentielles de Nosy Be) misehatra aminโny famokarana lohamenaka avy aminโny Ylang-ylang.
Nambaranโny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) DIANA, Marie Thรฉrรจse ZARASOA fa miantoka ny fahazoana tsena any ivelany na eto an-toerana ny fanatsarana ny kalitao toy izay kendrena aminโny ezaka toy izao.
Nankasitrahany ny BMN izay eo ambany fiahianโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) taminโny fizarana fahalalana taminโireo mpisehatra aminโny lavanila sy kakao ary ylang-ylang.
