𝘼𝙠𝙤𝙝𝙤 « 𝙡𝙖𝙦𝙪é » 2,784 𝙠𝙜 𝙣𝙞𝙨𝙮 𝙤𝙡𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙛𝙤𝙛𝙤𝙣𝙖 𝙣𝙤𝙜𝙞𝙖𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙩𝙨𝙮 𝙖𝙯𝙤 𝙖𝙢𝙞𝙙𝙮 𝙞𝙣𝙩𝙨𝙤𝙣𝙮.
📌Fitarainana tamin’ny tambajotra an’habaka nampiseho akoho masaka amidy izay nisy olitra tao amin’ny tranombarotra iray eto Antananarivo no nanaitra ny teto amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC).
➡️Rehefa nidina ifotony ny ekipa mpanara-maso avy amin’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa dia nahita ny fisian’ny olitra teo amin’ny akoho.
🔍Io akoho io dia avy tamina mpikarakara sakafo izay naterina ny 05 Novambra 2026, araka ny faktiora.
Notsirihana ihany koa ilay toerana fikarakarana sakafo ka nohazavainy tamin’izany ny fomba fikirakirany sakafo. Nolazainy fa isaky ny mahazo fanafarana (commande) ry zareo vao miantsena sy manao an’ilay akoho laqué.
🕵️♂️Samy nomena fampiantsoana moa ny tomponandraikitra ao amin’ilay tranombarotra sy ilay mpikarakara sakafo.
