๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐๐ ๐๐๐ค ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐จ๐ฎ.
Tafiditra anatinโireo arahi-maso akaiky aminโizao andro efa mihamafana, misy ny orana sy be loto miparitaka izao ireo gargotes, mpanao hotely, restaurant, mpanamboatra mofo, mpivarotra kafe sy mofoโฆ Indrindra moa, tsikaritra fa anisan’ny antony lehibe mahatonga ny fahapoizinana ara-sakafo koa ny fomba fikarakarana sy fitehirizana sakafo.
Mpivarotra sakafo amoron-dalana 6, restaurant miisa 2 ary toeram-panamboarana mofo 2 ao an-tampon-tanร nanโAntsiranana no nirotsahanโny mpanara-maso avy aminโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy Fanjifana (DRCC) sy avy aminโireo sampandraharaha voakasika ny Alakamisy 29 Oktobra 2026. Niarahana taminโny ACSSQDA eo anivonโny Minisiteranโny Fahasalamam-bahoaka ny hetsika.
Atao vaindohan-draharaha aminโny fitsirihana toy izao ny fijerena ireo entana sy akora anamboarana sakafo, ny fikarakarana ary fitehirizana ny sakafo.
Tao Toliara dia natomboka ny Zoma 30 Oktobra alina ny fitsidihana ireo mpivarotra sakafo masaka, ho fanentanana azy ireo amin’ny fahadiovana sy hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.
Miisa 14 ireo mpivarotra hanimasaka nosavaina sy nanaovana fanentanana tao Farafangana. Hita ny tsy fahatomomombanana ka nomena fe-potoana anadiovana sy anavaozana ny atitrano, indrindra ny toeram-pahandroana sakafo.
Nihetsika ihany koa ny ekipanโny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana SAVA sy ny mpiasanโny fahasalamana, tao Sambava, ka nidina teny amin’ ireo mpivarotra sakafo masaka.
Nialohavanโny famoriana ireo mpivarotra hanimasaka kosa ny fitsirihana tao Mananjary. Manoloana ny fahamaroanโny mpitsidika sy ny vahiny tonga any an-toerana mandritra ny vanim-potoananโny fety dia zava-dehibe ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny fikarakarana sy ny fivarotana sakafo masaka.
Noho ny fisian’ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto iray ny 01 Novambra 2026 tao amin’ny toerana fanaovana lanonana ย ยป Mahatamana ย ยป ao Antsirabe dia nisy ny fanentanana fampianarana nomena ireo mpikarakara sakafo 12 hiasa ao aminโio toerana io.
Mpivarotra hanimasaka, gargotte miisa 20 koa no nanaovana fanentanana tao amin’ny Bazar Manakara ny 28 Oktobra 2026. Niara-nisalahy taminโny fanatanterahana izany ny mpanara-maso ny Varotra sy ny avy ao amin’ny Fahasalamam-bahoaka Fitovinany.
