Manatanteraka ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON ireo mpanaramaso ny varotra sy ny fifaninanana eny anivon’ny Fitaleavam-paritra manerana ny Nosy. Hamafisina ny fitsirihana sy fanentanana ireo mpivarotra sakafo sy hanimasaka hisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo. Anisan’ny antony lehibe mety hitera-doza ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana sy fitehirizana sakafo.
