𝙏𝙖𝙛𝙖𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙤𝙢𝙞𝙚𝙧𝙖 𝙞𝙨𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝙢𝙞𝙨𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙨𝙤𝙧𝙤𝙝𝙖𝙣𝙖 (𝘾𝙋𝙍) 𝙝𝙤 𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖 𝘽𝙤𝙣𝙜𝙤𝙡𝙖𝙫𝙖.
Mpikambana 6 no mandrafitra ny CPR (Commission Préventive Régionale) Bongolava. Io vaomiera io no misolo tena ny Filankevitry ny Fifaninanana, rafitra eo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fifaninanana, ao any amin’ny Faritra Bongolava.
Nandritra ny fidinan’ny Filohan’ny Filankevitry ny Fifaninanana, Claude Richard RAHARIMANANTSOA sy ny mpiara-miasa aminy, tany Tsiroanomandidy no nametrahana tamin’ny fomba ofisialy, tao amin’ny Espace Manampy, ny CPR Bongolava.
Nisy ny atrikasa nampahafantarana ny Lalàna mifehy ny Fifaninanana sy ireo asa iandraiketan’ny Conseil de la Concurrence sy ny CPR ka ireo mpandraharaha mpandraharaha, Ben’ny Tanana, mpiombon’antoka amin’ny tontolon’ny oniversite, manampahefana ao amin’ny Faritra ary tompon’andraikitra eny anivon’ny Sampandraharaha teknika voakasika no nantsona nandray anjara tamin’izany.
Nosokafana koa ny loa-bary an-dasy sy ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo zava-misy any amin’ny Faritra Bongolava izay manohintohina ny fifaninanana.
