๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐๐๐ง๐ค ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฏ๐๐ซ๐ ๐ฉ๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ซ๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐พ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ค๐ง๐๐๐จ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐, ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐๐จ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ฅ๐๐๐ง๐-๐ข๐๐ค๐ข๐๐ค๐ฃโ๐๐ฃ๐ฉ๐ค๐ ๐, ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ก๐๐ก๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ค๐ซ๐๐ค ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐๐ฏ๐-๐ข๐๐ฃ๐๐ค ๐๐ง๐-๐ฉ๐๐ ๐ฃ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ ๐ ๐ฃ๐๐ฉ๐๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐๐พ๐พ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃรจ๐ซ๐, ๐๐ค๐๐จ๐.
Nandray anjara taminโny fivorianโireo Komity misahana ny fepetra aminโny fanariam-bokatra (antidumping), ny fepetra fiarovana (sauvegarde) ary ny famatsiam-bola fanampiana sy fepetra fanonerana (compensatrice), tany aminโny foiben-toeranโny OMC, ny delegasiona malagasy notarihinโny Talenโny Kabinetranโny Ministeranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Navalona Rafanoharana RANDRIANAIVOJAONA.
Taminโizany no nampahafantarana sy nanadihadiana ireo fepetra fiarovana noraisinโi Madagasikara momba ny sokajim-bokatra 8. Nohazavaina manokana koa ny momba ny haba vonjimaika iadiana aminโny fanariana entana aminโny vidiny ambany, ampiharina aminโny fanafarana margarine avy any Tonizia, Afrika Atsimo, Indonezia ary Tiorkia.
Ny Tale jeneralinโny Fahefam-pirenena misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC), BARTHELEMY, dia nandray anjara taminโny atrikasa iraisam-pirenena natao ho anโireo lehibenโny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana (Heads of Investigating Authorities).
Nisy ny fifampizarana traikefa sy fomba fanao tsara, indrindra momba ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy aminโny fanadihadiana, ny fiarovana ny vaovao tsiambaratelo ary ny fanatsarana ny fahaiza-manao sy ny fahafaha-miasa anananโireo sampandraharaha misahana ny fanadihadiana.
Nanamarika ny dianโny delegasiona malagasy tany Soisa ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Ambasadaoronโi Madagasikara ao Genรจve. Nisy ny fifanakalozan-kevitra momba ireo tombontsoa sy fahafahana atolotry ny Fifanarahana eo anivonโny OMC, ary ny fomba ahafahanโi Madagasikara misitraka izany aminโny fomba feno.
Voaresaka, nandritra ny fihaonana taminโny tomponandraikitra ao aminโny Foibe mpanolo-tsaina momba ny Lalร na mifehy ny OMC (ACWL), ny momba ny fandaharanasa fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy ara-dalร na anananโny ANMCC. Nodinihina ihany koa ireo fahafahana azo anampiana sy hanohanana ara-dalร na ny ANMCC eo aminโny sehatry ny fiarovana ara-barotra.
