𝙈𝙞𝙩𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙝𝙖𝙩𝙧𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙣𝙙𝙧𝙤𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙙𝙞𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙩𝙖𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙤𝙠𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙛𝙞𝙝𝙞𝙣𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙠𝙞𝙧𝙖𝙠𝙞𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙖𝙯𝙮 𝙞𝙧𝙚𝙣𝙮 𝙣𝙮 𝙛𝙞𝙖𝙧𝙤𝙫𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖.
VATOVAVY : Noraisina ny fepetra hiantoahana ny fahasalaman’ny mpanjifa ao Mananjary. Manomboka izao dia tsy azo apetraka mivantana eo amin’ny bajaj, tuk-tuk na cyclo-pousse intsony ny hena, fa tsy maintsy tandrovina ny fahadiovana sy ny kalitaon’ny vokatra mandritra ny fitaterana. Tokony hanao aron’akanjo sahaza ireo mpikarakara hena, ary hampiasa fitaovana madio sy mifanaraka amin’ny fitaterana azy.
Nisy moa ny fanentanana sy fampahafantarana ireo toromarika ireo ho an’ireo mpivarotra hena sy mpitatitra. Nandray anjara tamin’izany ny Ben’ny Tanànan’i Mananjary, ny Kaomiseran’ny Polisy ao Mananjary, ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Vatovavy ary ny Fitaleavam-paritry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro.
Hisy ny fanaraha-maso iarahan’ireo sampandraharaha voakasika, ary horaisina ny fepetra mifanaraka amin’ny Lalàna amin’ireo izay mbola tsy manaja ny toromarika.
DIANA : Kapoaka miisa 10 ampiasaina amin’ny fivarotana sira tao amin’ny tsena Antanambao sy ny manodidina no nogaiazana avy hatrany satria arafesina ka ahiana hiteraka fahapoizinana ho an’ny mpanjifa. Nandritra ny fidinan’ny mpanara-maso avy amin’ny DRCC DIANA nanao fitsirihana teny an-tsena ny 22 Oktobra 2026 no nandraisana ny fepetra.
Nomena fampitandremana koa ireo mpaninjara 3 izay mivarotra menaka, momba ny kalitaon’ny menaka amidiny.
