๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐ข๐๐ ๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฅ๐๐๐ ๐๐๐ฎ ๐๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ค ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐พ๐๐๐๐๐ผ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐ค๐๐-๐๐๐ฃ๐ฎ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐ฉ๐ค ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐.
Ny Talenโny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) Yolandine NAMBOHOE VENON sy tomponandraikitra avy aminโny Filakevitry ny Fifaninanana (Conseil de la Concurrence) no nisolo tena anโi Madagasikara taminโny latabatra boribory nokarakarainโny Filankevitry ny Fifaninanana sy ny Fanjifana ao aminโny Tsena iombonanโi Afrika Atsinanana sy Atsimo na COMESA.
Firenena 17 aminโny 21 mpikambana ao aminโny COMESA no tonga taminโity fihaonana izay notohananโny Vondrona Eoropeana ity.
Nivoitra taminโizany ny fomba fanao tsara ampiharinโny Vondrona Eoropeana aminโny fiarovana ny vokatra sy fametrahana ny rafitra fampandrenesana haingana aminโireo vokatra sokajiana ho mampidi-doza.
Nizara ny traikefany aminโny fiadiana aminโny vokatra sandoka koa ny firenena keniana mpampiantrano.
Ankoatrโizay anefa dia novelabelarina nandritra ity dinika tany Kenya ity koa ny ahiahinโny mpanjifa aminโny lafiny fitaterana anโhabakabaka, ny fifanakalozana ara-bola nomerika ary ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy.
ยซ ๐๐บ ๐๐ข๐ฉ๐ฆ๐ง๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ต๐ด๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ณ๐ข๐บ ๐ฎ๐ช๐ท๐ฐ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ข๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐๐๐๐๐ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ด๐ข๐ฎ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐๐ข๐ญร ๐ฏ๐ข๐ฏ๐บ ๐ข๐ท๐บ ๐ฎ๐ช๐ฌ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ญ๐ฐ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ฆ๐ท๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐ฐ๐ฅ๐ช๐ฏ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข. ๐๐ฐ ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ข๐ป๐ฐ ๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฉ๐ช๐ฏ๐ข ๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ฐ ๐ต๐ด๐ข๐ณ๐ข ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข๐ฎ๐ข๐ง๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ยป, hoy ny Talenโny Fiarovana ny Mpanjifa.
