๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ข๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐ฉ๐๐ ๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ซ๐ค๐ก๐๐ซ๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ค๐ข๐๐๐๐ฏ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐ค ๐ฉ๐๐ ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐ ๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ง๐ค๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ ๐๐๐ค ๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐.
Tanjona ny hametrahana fenitra nasionaly mamaritra ny fetra farany ambany aminโny fahombiazanโny fampiasana angovo takiana aminโireo fitaovana isan-karazany, mba hahafahana mametra ireo entana hafarana sy amidy ary hahafahana ihany koa manamboatra azy ireo eto Madagasikara.
Nanatrika ny lanonam-pamaranana ny Atrikasa teny aminโny Carlton Anosy ny Sekretera Jeneralinโny Minisiteranโny Angovo sy ny Akoranafo, ny Tale Jeneralinโny Birao Nasionaly momba ny Fenitra (BNM) Sitraka Zarasoa RAKOTOMAHEFA , ary ny Solontena Maharitra Lefitry ny Fandaharanasanโny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD). Ity farany no mpiara-miombonโantoka nanohana ny fanatanterahana ireo andiany roa taminโity hetsika ity, ny volana Septambra lasa teo sy nandritra ny herinandro voalohany aminโity volana Oktobra ity.
ยซย ๐๐บ ๐ฌ๐ข๐ญ๐ช๐ต๐ข๐ฐ, ๐ข๐ฏ๐ต๐ฐ๐ฌ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ท๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ขย ยป
Ny fanatrehanโny Tale Jeneralinโny Varotra Ivelany (DGCE) Tiava RAJOHNSON ny atrikasa dia maneho ny fahavononanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana hampiroborobo ny fahombiazanโny fampiasana angovo sy ny kalitaonโny vokatra.
Ny ankamaroanโireo fitaovana voakasikโireo fenitra ireo dia avy any ivelany. Ny fametrahana fepetra ara-teknika mazava sy mangarahara dia manampy ireo mpanafatra entana hiomana mialoha, manome mari-pandrefesana azo tsapain-tanana ho anโny manampahefana sy tomponandraikitra, ary mampifanaraka ny fepetra hampiharina aminโireo fenitra isam-paritra (SADCSTAN), ho fanomanana ny fandraisana anjara aminโny Faritra malalaka ara-barotry ny Kaontinanta afrikana (ZLECAf).
