๐๐ค๐จ๐ค๐ ๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ฎ ๐ซ๐๐ก๐ค๐ฃ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ก๐ค๐ฏ๐๐ฃ-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ง๐-๐ฉ๐๐ ๐ฃ๐๐ ๐ ๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ค๐ก๐๐ซ๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ก๐๐ฉ๐๐ ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐๐ข-๐๐ค๐ก๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐.
Kendrena aminโizao famolavolana ny Politikam-pirenena momba ny fampiasam-bolam-panjakana izao ny hampifanaraka izany aminโireo laharam-pahamehana nasionaly sy isam-paritra.
Haharitra sivy herinandro, ny 19 Oktobra hatraminโny 18 Desambra 2026, ity dingana fifanakalozan-kevitra miaraka aminโny fandraisanโanjaranโny hery velona rehetra ity.
Nandritra ny lanonam-panokafana izany teny aminโny OniversitenโAntananarivo eny Ankatso no nametrapetrahana fa anisanโny tanjona lehibe ny hampihenana ny fiankinan-doha aminโny famatsiam-bola avy any ivelany, izay mahatratra roa ampahatelonโny famatsiam-bola ho anโny tetikasa tanterahina eto Madagasikara.
Nambaranโny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON fa dingana lehibe ho aminโny fanavaozana ny firenena ny PNIP. Tafiditra ao anatinโizany ny fanorenana anโi Madagasikara ho Repoblika matanjaka, marina, mangarahara ary miray hina. Notsindriany ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fametrahana ny tombontsoam-pirenena ho lohalaharana, aminโny alalanโny fanapahan-kevitra mifototra aminโny tombontsoanโny vahoaka sy ny fampandrosoana maharitra ary mahomby.
Nanotrona ny fotoana teny Ankatso ny mpikambana ao aminโny Governemanta ka anisanโizany ny Ministry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON. Nanatrika izany koa ireo solontena avy aminโny Andrimpanjakana samihafa, ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, ary ireo mpiara-miombonโantoka ara-teknika sy ara-bola.
Nomarihina taminโny fandraisam-pitenenana sy horonan-tsary maneho ny vinavina ary fifanakalozan-kevitra avy hatrany io fotoana io ka navitrika ny mpandray anjara.
