๐๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ 10 ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐๐ง๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐๐ค ๐๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐ค๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐จ๐ฎ.
Orinasa tena madinika sy orinasa madinika sy salantsalany (TPE โ PME) avy aminโireo faritra laharam-pahamehanโny Tetikasa PIC (Pรดles Intรฉgrรฉs de Croissance) izy ireo dia ny Spice Aroma, Tambatra SA, Tsiveta Export, Miaina Toliara, Phileol, Bio Tsara, Taratra, Fanazava SARL, Malakass ary ny NatureโL. Misolo tena sehatra ara-toekarena samihafa manana lanja lehibe eo aminโny tsena iraisam-pirenena ireo orinasa voafantina, ka anisanโizany ny fiompiana anaty rano, ny fambolena ahidrano, ny zava-manitra ary ny vokatra ara-pambolena.
Vokatra malagasy toy ny lavanila, jirofo, kakao, kafe, tantely ary ireo menaka manitra azo avy aminโny zavamaniry no anisanโny haseho any aminโny SIAL Parisy 2026. Tafiditra ao anatinโny paikady fanandratana ny marika
ยซ Made in Madagascar ยป sy fanamafisana ny fahafahanโireo orinasa eto an-toerana manondrana ny vokatra any ivelany izao fandraisana anjara izao.
Mandrindra ny fandraisanโanjaranโi Madagasikara aminโny SIAL ny Minisiteranโny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampandrosoana ny Sehatra tsy Miankina (MIDSP) sy ny Ministeranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC). Manohana ny Tetikasa PIC3 iozay vatsianโny Banky Iraisam-pirenena vola, sy ny Antenimieranโny Varotra sy Indostria Frantsa โMadagasikara (CCIFM).
Nambaranโny Tale misahana ny Raharaha momba ny Lalร na (DAJ) eo anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Lala RAVELONJOHANY nandritra ny tafa ho anโny mpampahalala vaovao fa tsy tokony hijanona aminโny fampirantiana sy fampahafantarana fotsiny ihany ny fandraisana anjara aminโny SIAL fa tokony hiteraka vokatra azo tsapain-tanana toy ny fahazoana kaomandy, fahitana mpividy vaovao, fananganana fiaraha-miasa ara-barotra ary fisokafanโny tsena vaovao ho anโireo orinasa malagasy. ยซ ๐๐บ ๐ท๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐ฐ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฌ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข, ๐ข๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ช๐ฏ๐ฅ๐ฐ๐ด๐ต๐ณ๐ช๐ข ๐ฌ๐ฐ๐ด๐ข ๐ฏ๐ฐ ๐ฎ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฐ๐ฅ๐ช๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐ข๐ฏ-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ด๐ข๐ฏ๐ฅ๐ข ๐ข๐ณ๐ข-๐ต๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐ฐ๐ง๐ฐ๐ณ๐ฐ๐ฏ๐ช๐ฏ๐ข ๐ฆ๐ต๐ฐ ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ยป, hoy izy.
