๐๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐พ๐๐ง๐ก๐ฉ๐ค๐ฃ ๐ผ๐ฃ๐ค๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐๐จ๐ ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ ๐ข๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ค๐ข๐๐๐๐ฏ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐๐ค๐ซ๐ค.
Tompo-marika aminโizao atrikasa andiany voalohany, ny 8 hatraminโny 11 Septambra 2026, izao ny Birao Malagasy misahana ny Fenitra (BNM) izay eo ambany fiahianโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC). Kendrena aminโizany ny famolavolana sy ny fandraisana ireo Fenitra Farany ambany momba ny Fahombiazanโny Fampiasana Angovo, fantatra aminโny anarana hoe MEPS (Minimum Energy Performance Standards).
Ity hetsika ity dia tafiditra tanteraka ao anatinโny fanatanterahana ny Politika Nasionaly momba ny Kalitao (PNQ) sy ny Paikady Nasionaly momba ny Fenitra 2025โ2027, izay mametraka ny fanamafisana ny Fotodrafitrasa Nasionaly momba ny Kalitao ho iray aminโireo fitaovana lehibe hanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy maharitra eto Madagasikara.
Nandritra ny fanokafana ny atrikasa no nanambarร nโny Talenโny Fifaninanana sy ny Fandrindrana ny tsena (DCRM) eto anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, Rufin ZAFIMIHARY fa zava-dehibe ny fampifanarahana sy ny fandraisana ireo fenitra iraisam-pirenena, mba hamaliana ny filร na ankehitriny sy hiomanana aminโny hoavinโny firenena. ยซ ๐๐ข๐ง๐ช๐ฅ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ฐ ๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ช๐ฏโ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ข๐ฅ๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ข๐ฏ๐ช๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ข๐ฏ๐จ๐ฐ๐ท๐ฐ ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ข๐ด๐ข ๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ข๐ฉ๐ฆ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ข๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฌ๐ฐ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ช๐ป๐บ ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ง๐ช๐ต๐ข๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฆ๐ณ๐ช๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ต๐ณ๐ข ยป, hoy izy.
Nankasitrahanโny Tale jeneralinโny BNM, Sitraka Zarasoa RAKOTOMAHEFA, ny fanohanana samihafa sy ny fandraisana anjaranโny tsirairay araka ny sehatra iandraiketany avy, aminโizao dingana izao.
