๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฉ๐ค๐ซ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐ฎ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐ง๐-๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ ๐๐ ๐๐ค ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐จ๐๐ข๐๐๐๐๐.
Hampandrosoana bebe kokoa ny Sehatra kakao eto Madagasikara, hoy ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON, nandritra ny fifanaovan-tsonia niaraka tamin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Kakao (ICCO) ny 27 Aogositra 2026.
Tetsy amin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Ambohidahy ireo solontena avy amin’ny Minisitera sy rafitra samihafa no nidinika momba ny ho fandraisana andraikitra sy fiaraha-mientana mba hampiakarana ny habetsahan’ny vokatra kakao, hanitarana ny famokarana, hampandrosoana ny fanodinana vokatra eto an-toerana ary hampivelarana ny lalam-barotra any ivelany.
Nambaran’ny Sekretera jeneralin’ny MinCC, Gilchrist RAKOTOSON, fa ny tena vaindohan-draharaha dia ny fitazonana ny kalitao izay efa ananana mba tena haharitra, sady hanampiana sy hanomezana lanja ny asanโireo tantsaha mpamokatra voalohany, hahafahanโny tsena anatiny sy ny mpanjifa eto an-toerana koa migoka ny kalitaonโny vita malagasy.
ยซย ๐๐ข๐ฉ๐ข ๐ฆ๐ง๐ข ๐ช๐ป๐ข๐บ, hoy izy, ๐ฅ๐ช๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ด๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ช๐ต๐ข ๐ญ๐ข๐ญ๐ข๐ฎ-๐ฃ๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ฉ๐ฐ๐ฆ๐ฏ๐ต๐ช๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ช๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฆ๐ณ๐ข๐ฏ-๐ต๐ข๐ฏ๐บ, ๐ฌ๐ข ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ข๐ฌ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฆ๐ฌ๐ข๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ขย ยป.
Nandray anjara tamin’izany ny avy amin’ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, Minisiteranโny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Minisiteran’ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Minisiteranโny Filaminam-bahoaka, Minisiteranโny Fambolena sy ny Fahaleovantena ara-tsakafo, Minisiteranโny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Minisiteranโny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, Minisiteranโny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Centre de Cacao Ambanja ary ny FOFIFA.
Tena mitondra avo ny voninahitry ny firenena ny vokatra kakao, ary mbola anisanโireo manana kalitao tsara indrindra maneran-tany ny kakao malagasy, izay voasokajy ho ยซ 100 % manan-tsiro sy hanitra miavaka ยป.
