๐๐๐๐๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ค๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐ฉ๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ง๐ฎ. ๐๐๐ฃ๐ค๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐-๐ข๐๐จ๐ค ๐๐ซ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
ANOSY : Roa herinandro taorian’ny nampiatoana ny haba alaina aminโny fanafarana vary dia efa misy tafaverina 650 Ar ny vidinโny iray kapoaka aminโny vary nafarana ankehitriny any aminโny Faritra Anรดsy. Ny iray gony kosa dia efa misy tafidina hatrany aminโny 100 000 Ar ny vidiny farany ambany. Manana vary tahiry 20 000 taonina ny Faritra izay ampy hamatsiana ny mponina mandritra ny 3 โ 5 volana eo ho eo.
VAKINANKARATRA : Nahitana fidinany 5.000 Ar hatraminโny 7.000 Ar isaky ny kitapo ny vidinโny vary nafarana izay nitarika fidinany manodidina ny 150 Ar isa-kilao eny aminโny mpanjifa. 2200 โ 2600 Ar/kg ny vidinโny vary nafarana eny an-tsena.
ANDROY : Raha 113000 Ar ny vidy farany ambany aminโny vary nafarana dia lasa 110000 Ar izany aminโizao fotoana izao. 3000 Ar isaky ny lasaka 50kg izay fidinany izay. Ny vidiny kosa dia arakaraka ny kalitaonโny vary. Ny vary Barea avy any Inde dia 700 โ 750 Ar no vidinโny iray kapoaka ho anโny mpanjifa.
ATSIMO ATSINANANA : Efa hita taratra eo amin’ny tsena any Atsimo Atsinanana ny fiantraikan’ny fanalana ny haba amin’ny vary nafarana satria raha 125000 Ar ny iray gony tamin’ny herin’andro lasa dia tsy nisy nihoatra ny 120000 Ar izany izao. Nisy fidinana 5000 Ar isaky ny gony ny teo anivon’ny mpamongady. Ho an’ireo mpaninjara ihany koa dia hita taratra izany satria lasa 800 Ar ny vidy farany ambony raha 850 Ar izany teo aloha.
