๐๐๐ฉ๐ค๐ข๐๐ค๐ ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐ ๐ค๐๐๐จ๐๐๐ก๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐จ๐ ๐จ๐ค๐จ๐๐๐ก๐ฎ ๐๐ฉ๐๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ยซ ๐๐๐ฃ๐๐๐ง๐ฎ ยป ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ ๐๐ฃ๐, ๐๐ก๐๐จ๐ ๐๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐๐ผ.
Distrika anisanโny maro ivontoerana indrindra mandray ka manampy ireo sahirana ny Distrikanโi Vohipeno. Natao tao Andemaka, miala ny renivohitry ny distrika, ny hetsika ยซ mba ho fanavaozana fa tsy misy tany lavitrโAndriana ยป. Teny nentinโny Vadinโny Filoham-panjakana nanazavana ny antony nisafidianana anโAndemaka, nanatanterahana ny lanonana fanokafana ny famaliana ny filร nโny fiaraha-monina ataonโny Fikambanana Fanjiry.
Mifantoka aminโny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fivelomana ny asanโny Fikambanana Fanjiry ary mahaleotena tanteraka izy aminโizany. ยซ ๐๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข๐ฌ๐ฐ ๐ง๐ข ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ป๐ข๐ท๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ณ๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฅ๐ช๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ข๐ญ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ฐ๐ข ๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ฆ๐ต๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐จ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข ยป, hoy ny Filohanโny Fikambanana Fanjiry, Elisa RANDRIANIRINA.
Nanotrona ny lanonana tany Andemaka Vohipeno ireo Minisitra vehivavy sy vehivavy vadina Minisitra ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Ho fanombohana ny asa dia nanolotra fitaovana ho anโny kaominina mandrafitra ny Distrikanโi Vohipeno ny Vadinโny Filoha. Izany fitaovana izany dia nahitana milina miaraka aminโireo kojakoja samihafa fanjairana, milina fitotoam-bary, lakana fiampitana rano, fitaovana hiatrehana ny fiterahana sy kidoro, fanitso ho anโny toeram-pianarana vitsivitsy. Hisy koa ny fijerena maso maimaim-poana, fampihofanana sy fizarana masom-boly sy zezika, fizaham-pahasalamana maimaim-poana ary fizarana fitaovam-pianarana. ยซ ๐๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ท๐ข๐ฏ๐ช๐ฎ-๐ฑ๐ฐ๐ต๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ฏ๐ฐ ๐ฉ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ท๐ฆ๐ฉ๐ช๐ท๐ข๐ท๐บ ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ฃ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐บ ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ณ๐ข ๐ง๐ฐ๐ต๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ช๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ณ๐ฆ๐ฏ๐ฆ๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Filohanโny Fanjiry.
