๐๐๐ฉ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ฉ๐จ๐-๐๐๐ฉ๐ค๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ก๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐ ๐๐ข๐๐ง๐๐ ๐๐ฃ๐, ๐ข๐๐ฉ๐ค๐๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ 2028 ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐๐ผ.
Dingana lehibe vita ny 01 Septambra 2026, rehefa nolanianโny House of Representatives amerikana taminโny vato 370 noho 48 ny Volavolan-dalร na HR 6500 hanalavana ny AGOA.
Izany dia mameno ny latsa-bato nataonโny Senate taminโny 8 Aogositra 2026, ka vita ny latsa-batonโny Parlemanta amerikana manontolo momba ny fanitarana ny AGOA hatraminโny Desambra 2028, tsy nisy fanitsiana.
Ny dingana manaraka dia ny fiandrasana ny fankatoavanโny Filoha amerikana, izay hamita ny dingana ara-panjakana hahatonga ity fanitarana ity ho manan-kery.
Ho anโi Madagasikara dia vaovao lehibe sy mahavelom-panantenana izany, satria manome fitoniana sy fahitana mazava kokoa ho anโireo mpanondrana malagasy ary manampy aminโny fanamafisana ny fahatokisanโireo mpampiasa vola aminโny tsena amerikana.
Ity dingana ity dia vokatry ny fitarihana ara-barotra nataon-dRamatoa Minisitry ny Varotra, Haingotiana ANDRIAMADISON, niaraka taminโny fiaraha-miasanโireo sampan-draharaha teknika voakasika, ary ny ezaka sy ny asa teny ifotony nataon-dRamatoa Masoivohonโi Madagasikara any Etazonia, Lantosoa RAKOTOMALALA.
Tsy mijanona eo ny ezaka. Ny tanjona manaraka dia ny fanohizana ny fifampidinihana sy ny fanentanana mba hahazoana fanitarana maharitra 10 taona aorianโny 2028, izay hanome fahamarinan-toerana sy vinavina maharitra ho anโireo mpanondrana sy mpampiasa vola, ary hanamafy hatrany ny fifandraisana ara-barotra eo aminโi Madagasikara sy Etazonia.
๐๐ช๐ฏ๐จ๐ข๐ฏ๐ข ๐ญ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ท๐ช๐ต๐ข. ๐๐ช๐ต๐ฐ๐ฉ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฆ๐ป๐ข๐ฌ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ฐ๐ข๐ท๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐๐๐ ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ฎ๐ฃ๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ฐ๐ข๐ฏโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข.
