๐๐๐๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ 11000๐ผ๐ง ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ 13000๐ผ๐ง ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐ข๐๐๐ฉ๐จ๐ค ๐๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ข๐๐ค๐๐๐ซ๐ค๐๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐๐ค๐๐๐๐๐ฃ๐, ๐ ๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ผ๐ข๐๐๐ก๐๐ข๐๐ฃ๐๐จ๐ฎ ๐๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐๐๐ฅ๐ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐๐ฎ.
Nanatsara ny vidinโny lavanila maitso eny aminโny mpamokatra ny fifaninanana vokatry ny firotsahanโireo orinasa mpividy lavanila nisitraka ny volanโny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy) any aminโny Faritra SAVA. Samy tonga any Ambodivohitry Kobahina avokoa ny รpices des รฎles, Neil Vanilla, Raveloson Jรฉrรดme, Coopรฉrative KOTAMI, Bio Manaivo.
Raha 10000Ar no vidy ividianana ny lavanila maitso iray kilao dia tafakatra 11000Ar โ 13000 Ar izany.
Ny Sociรฉtรฉ Symrise, ohatra, dia nividy lavanila taminโny 12000Ar/kg tany amin’ ireo mpikambana ao aminy.
Namoaka ny vokatra any aminy koa ny tantsaha ka tombanana ho any aminโny 20 taonina any ho any izany ao Ambodivohitry Kobahina.
Hentitra ny fanaraha- maso ataon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) SAVA mba tena hipaka any amin’ny mpamboly izany fihatsaranโny vidim-bokatra izany. ยซ๐๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ต๐ด๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ท๐ฐ๐ข๐ต๐ฐ๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐บ ๐ฏ๐ฐ ๐ข๐ฏ๐ข๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ท๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ข๐ฏ๐ข. ๐๐ด๐บ ๐ข๐ป๐ฐ ๐ฆ๐ฌ๐ฆ๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ช๐ฉ๐ช๐ต๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ช๐ท๐ข๐ณ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ฏ๐ฆ๐ญ๐ข๐ฌ๐ฆ๐ญ๐ข๐ฏ-๐ต๐ณ๐ข๐ฏ๐ฐยป, hoy ny Talem-paritra Rosemine Cรฉlestine RAMAMONJISOA.
Any aminโny Faritra Atsinanana dia nanomboka ny 27 Aogositra 2026 koa ny fividianana lavanila maitso ataonโny Sociรฉtรฉ RJD Spices Vanilla aminโny volanโny AVM. Tao antampon-tanร nanโi Brickaville no nanatanterahana izany ary hitohy manaraka ny tetiandro any aminโny distrika hafa ao anatinโny Faritra Atsinanana.
