𝙈𝙖𝙧𝙞𝙣-𝙩𝙤𝙚𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙫𝙞𝙙𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙫𝙖𝙧𝙮 𝙖𝙣𝙮 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙧𝙞𝙩𝙧𝙖, 𝙢𝙞𝙨𝙮 𝙖𝙯𝙖 𝙣𝙮 𝙣𝙖𝙝𝙞𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙛𝙞𝙙𝙞𝙣𝙖𝙣𝙮 𝙣𝙤𝙝𝙤 𝙣𝙮 𝙛𝙚𝙥𝙚𝙩𝙧𝙖 𝙣𝙤𝙧𝙖𝙞𝙨𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙁𝙞𝙩𝙤𝙣𝙙𝙧𝙖𝙢-𝙥𝙖𝙣𝙟𝙖𝙠𝙖𝙣𝙖
ANOSY : Nahitana fidinany 5000Ar isaky ny gony ny vidim-bary raha oharina amin’ny vidiny tamin’ny herinandro lasa. 700Ar, araka izany, no ividianan’ny mpanjifa ny iray kapoaka amin’ny vary Pakistan. Mety ho tafidina 650Ar izany raha voatazona ho 102000Ar ny vidin’ny iray gony. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fitaleavam-paritry ny Varitra sy ny Fanjifana (DRCC) Anosy dia nahafahan’ireo mpandraharaha nanitsy ny vidin’ny vary avy hatrany ny nahafantaran’izy ireo fa miato aloha ny fampiharana ny haba sy hetra amin’ny fanafarana vary. Mbola mahavita telo volana ny tahirim-bary misy amin’izao fotoana izao any an-toerana.
VAKINANKARATRA : Tsy niova ny vidin’ny vary farany ambany sy ny farany ambony fa nisy ny karazam-bary teo anelanelany no nisy fiovany kely.
– Vary Nafarana : 2 300Ar – 2700Ar / kg, izany hoe 110 000Ar – 125 000Ar / kitapo
– Makalioka : 2 350Ar – 2500Ar / kg na 109 000Ar – 115 000Ar / kitapo.
Ampy ary tsy tokony hampikorontana ny famatsiana ny tahiry eny amin’ireo mpandraharaha ara-barotra. Raha tombanana dia mbola mahavita mamaly ny filàn’ny mponina mandritra ny telo volana eo ho eo ny tahiry misy.
ITASY : Marin-toerana ny vidin’entana ilaina andavanandro raha miohatra amin’ny herinandro lasa.
– Vary gasy : 1 900Ar – 2000Ar / kg na 550Ar – 650Ar / kapoaka
– Vary Manalalondo : 2300Ar – 2500Ar / kg
