๐๐๐ฉ๐๐ค ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ง๐๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐๐ข-๐๐๐๐ค๐๐ ๐ ๐ข๐๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค๐ข๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐ค๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐๐๐ ๐๐ง๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฉ๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐ค๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐ค๐๐ก๐๐ ๐๐ฃโ๐ ๐๐๐๐๐๐๐จ๐๐ ๐๐ง๐ (๐๐๐๐) ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ข-๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ ๐๐ง๐.
ยซ ๐๐ฆ๐ด๐บ ๐ญ๐ข๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข๐ฌ๐ฐ ๐ง๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ช๐ป๐ข๐ฐ ๐ท๐ข๐ฏ๐ช๐ฎ-๐ฑ๐ฐ๐ต๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ท๐ข๐ฐ๐ป๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ฏโ๐ช ๐๐ข๐ฅ๐ข๐จ๐ข๐ด๐ช๐ฌ๐ข๐ณ๐ข ๐ช๐ป๐ข๐ฐ, ๐ฏ๐บ ๐๐๐๐๐ ๐ฅ๐ช๐ข ๐ด๐ฆ๐ฉ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฃ๐ฆ ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ต๐ด๐ช๐ณ๐ข๐ช๐ณ๐ข๐บ ๐ข๐ท๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฉ๐ช๐ต๐ด๐ช๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ง๐ฆ๐ฉ๐ฆ๐ป๐ข๐ฏ-๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข, ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ซ๐ข๐ข๐ฏ๐ข, ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ด๐ข๐ฏโ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ข๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ฆ๐ต๐ณ๐ฆ๐ฏ-๐ต๐ฆ๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA tany Manakara, nanoloana ny mpandray anjara.
Ny ASIEF moa dia lalao ara-panatanjahantena ho anโny mpiasam-panjakana, hampisy ny firaisankina sy ny hampitombo ny fihavanana eo aminโizy ireo.
Ankoatranโny Filohanโny Fanavaozana mivady dia nanotrona ny lanonam-panokafana ny ASIEF 2026 koa ny Praminisitra Mamitiana RAJAONARISON, ny Filohanโny Antenimieram-pirenena Siteny RANDRIANASOLONIAIKO sy Solombavambahoaka, Mpikambana 13 ao aminโny Governemanta ka anisanโizany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON, Sekretera jeneraly sy Talenโny Kabinetra eny anivonโny Minisitera.
Nitohy taminโny Zumba ny fandaharam-potoana. Nisy koa ny lalao baolina kitra ยซ Match de gala ยป hihaonanโny Governemanta sy ny mpilalao voafantina ny tolakandro.
