๐๐ค๐จ๐ค๐ ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐ ๐ค๐๐๐จ๐๐๐ก๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ซ๐ค๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ง๐-๐ฅ๐ค๐ฉ๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ง๐ค๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐
Volavolan-dalร na miisa 7 no voafaritry ny Didim-panjakana ho dinihina sy ho laniana mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana izay tsy hihoatra ny 12 andro izao.
Nambaranโny Filohanโny Antenimieram-pirenena, Siteny RANDRIANASOLONIAIKO fa ny tombontsoa ambony ho aminโny fanatsarana ny fiainanโny vahoaka malagasy no tokony hibaiko. Nomarihiny fa atao anaty mangarahara ny fivoriana ary azonโny rehetra harahina.
Nitarika ireo mpikambana ao aminโny Governemanta nanotrona ny lanonam-panokafana ny fivoriana teny Tsimbazaza ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON. Nanatrika izany koa ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
