𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚𝐧𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧 𝐧𝐲 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’ 𝐧𝐲 𝐕𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐣𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤’𝐚𝐬𝐚 𝐏𝐈𝐂 𝟑 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐚𝐥𝐢𝐭𝐚𝐨 𝐧𝐲 𝐝𝐢𝐩𝐨𝐚𝐯𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐡𝐚𝐡𝐚𝐦𝐨𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐚𝐝𝐢𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 𝐥𝐚𝐥𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐫𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚.
Maneho ny fahavononany hanohana sy hiara-hientana amin’ny ezaka fanavaozana ataon’ny Fanjakana sy ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ireo tantsaha sy mpamokatra dipoavatra. Miantso ihany koa izy ireo ny fanamafisana ny fanohanana, indrindra amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy fitaovana famokarana, ho fampitomboana ny vokatra sy fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny dipoavatra Malagasy, mba hahafahany mifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Miara-mientana ny Faritra Vatovavy sy ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana amin’ny fandrindrana sy fanaraha-maso ny taom-piotazana ary ny fivarotana dipoavatra, amin’ny fanajana ny lalàna sy ny fepetra manan-kery, ary indrindra amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpamokatra sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra.
Ho mpiara-miombon’antoka amin’izany, ny Tetikasa PIC 3 dia manohana ny fampiroboroboana ny rojo-pihariana dipoavatra, ka mifantoka amin’ny fanatsarana ny famokarana, ny kalitao, ny fidirana amin’ny tsena ary ny fampitomboana ny lanja ara-toekarenan’ity vokatra ity.
Tontosa ny 𝟐𝟎 𝐀𝐨𝐠𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟔, tao amin’ny Fokontany Ambavany Sahavato, Kaominina Ambanivohitra Sahavato, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Taom-piotazana sy Fivarotana Dipoavatra 2026 eto amin’ny Faritra Vatovavy.
Anisan’ny nanatrika izany ny manam-pahefana eo an-toerana: Ramatoa Lehiben’ny Faritra Vatovavy, Ramatoa Prefet-n’i Mananjary, ny solontenan’ny Solombavambahoakan’i Nosy Varika, Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Vatovavy, François RABE, Lehiben’ny Distrikan’i Nosy Varika, ny CIRGN Fianarantsoa sy ireo mpitandro ny filaminana, Ben’ny Tanànan’i Sahavato, ny ao amin’ny Faritra Vatovavy sy ny PIC 3, ary ny Filohan’ny Fikambanan’ny Mpisehatra amin’ny Dipoavatra isam-paritra na Alliance Régionale du Poivre (ARP).
Dipoavatra Vatovavy : kalitao ho an’ny tsena, tombontsoa ho an’ny mpamokatra, ary hery manosika ny fampandrosoana.
