𝐅𝐈𝐀𝐑𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐉𝐈𝐅𝐀 – 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐒𝐎 𝐒𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐃𝐎𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐋𝐀𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐓𝐘
ANALANJIROFO
Ho fanamafisana hatrany ny fiarovana ny mpanjifa, dia nanatanteraka ny fandoroana ireo entana lany daty ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC), taorian’ny fahavitan’ny dingana ara-panjakana rehetra takiana.
Ny hetsika, izay natao ny 15 Aogositra 2026 tao Fenoarivo Atsinanana, dia nahitana ireo entana lany daty voamarina nandritra ny fidinana nifanesy nataon’ny mpanara-maso tao amin’ny Distrikan’i Sainte-Marie, Soanierana Ivongo, Fenoarivo Atsinanana ary Vavatenina.
Anisan’ireo entana voakasika ny vatomamy, ranom-boankazo ary entana fanadiovana trano, izay mitentina manodidina ny 150 kg.
BETSIBOKA
Tao amin’ny Distrikan’i Tsaratanana kosa, ny 15 Aogositra 2026, dia nanatanteraka fandoroana ireo entana tsy manaraka ny fenitra sy lany daty ny DRCC, taorian’ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny entana izay nanomboka ny 11 Aogositra 2026.
![]()
![]()
Anisan’ireo entana noravana tamin’izany ny zava-pisotro isan-karazany, fanafody, ary karazan-tsakafo toy ny paty, vatomamy ary biscuits.
Natrehin’ireo tompon’andraikitra sy manampahefana teny an-toerana izany hetsika izany, ka isan’izany ny Lehiben’ny Distrikan’i Tsaratanana, ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna, ary ireo solontenan’ny mpanjifa sy ny mpandraharaha.
Nampitandremana ihany koa ireo mpandraharaha mba hanaja hatrany ny fenitra sy ny fepetra ara-dalàna amin’ny varotra, ary hisoroka izay mety ho fanararaotana manohintohina ny fahasalaman’ny mpanjifa.
Ny tanjon’izao hetsika izao dia ny:
Miaro ny mpanjifa amin’ireo entana mety hampidi-doza;
Manamafy ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fanarahana ny fenitra;
Manentana ireo mpivarotra sy mpandraharaha mba ho tompon’andraikitra amin’ny asa ataony;
Miantoka ny zon’ny mpanjifa, na dia any amin’ireo toerana lavitra sy sarotra aleha aza.
FIAROVANA NY MPANJIFA : andraikitra iombonana, eny amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara.
