๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐โ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ โ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐ ๐
Manamafy ny fanaraha-maso ny tsena sy ny vidinโentana manerana ny Faritra ny Minisitera misahana ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), mba hiantohana ny fanajana ny vidiny ara-drariny sy hisorohana ny fivarotana entana lany daty na simba.
BONGOLAVA โ Tsiroanomandidy
Marin-toerana ny vidinโireo PPN ary tsy nahitana entana lany daty na simba nandritra ny fanaraha-maso natao ny 12 Aogositra 2026.
๏ทSiramamy: 3.500โ4.300 Ar/kg
๏ทSiramamy vokatra eto an-toerana: 168.000 Ar/gony
๏ทSiramamy nafarana: 202.000โ207.000 Ar/gony
ITASY
Mbola ampy tsara ny tahirinโentana ilaina andavanandro ary tsy nahitana entana lany daty ireo tsena nojerena.
๏ทLafarinina: 3.500 Ar/kg
๏ทSiramamy fotsy: 4.500 Ar/kg
๏ทSiramamy mavo: 3.700 Ar/kg
๏ทMenaka aminโny bidao: 8.200โ9.200 Ar/l
IHOROMBE
Araka ny fanaraha-maso natao tao aminโny tsenanโi Tanambao sy Besavoa, dia manaraka ny fepetra takiana ny tsena ary tsy nahitana entana lany daty. Marin-toerana ny vidinโny PPN.
๏ทVary: 550โ650 Ar/kg
๏ทSiramamy fotsy: 5.000 Ar/kg
๏ทMenaka anaty tavoahangy: 10.500โ11.500 Ar/l
ATSINANANA
Nahitana fidinanโny vidinโny siramamy mena 500 Ar/kg, izay nidina avy aminโny 4.000 Ar/kg taminโny 03 Aogositra ho 3.500 Ar/kg ankehitriny. Marin-toerana kosa ny ankamaroanโireo PPN:
๏ทVary nafarana: 2.100โ2.400 Ar/kg
๏ทVary gasy: 2.200โ2.400 Ar/kg
๏ทLafarinina malagasy: 3.300 Ar/kg
๏ทLafarinina nafarana: 3.400โ3.500 Ar/kg
๏ทMenaka aminโny bidao: 7.800โ9.000 Ar/l
๏ทMenaka anaty tavoahangy: 9.000โ10.500 Ar/l
Mitohy hatrany ny fanaraha-maso ataonโny MinCC sy ireo DRCC manerana ny Nosy, ho fiantohana ny fahafahanโny mpanjifa mahazo entana ampy, ara-drariny ny vidiny ary azo antoka ny kalitaony.
