๐ผ๐ฃ๐๐จ๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ข๐๐ง๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐ ๐ค๐ก๐๐ฎ, ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ), ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ฉ๐ ๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ ๐ค๐ก๐๐ ๐ค๐ก๐ฎ, ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐จ๐ค๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐๐๐๐ฃ๐ ๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐จ๐๐๐-๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐๐ง๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ข๐๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ง๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐๐.
Hafoloana izay no nanananโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly (PILCC). Nambaran’ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON taminโny mpiara-miasa aminy, nandritra ny fananganan-tsaina tetsy Ambohidahy fa tena zava-dehibe ny fananana PILCC satria laharam-pahamehana napetraky ny Filohan’ny Fanavoazana ny Repoblika sy ny Praiminisitra koa ny ady amin’ny kolikoly. Nohamafisiny fa nandritra ny fotoana nitantanany dia tsy nahitana fitarainana momba ny kolikoly nanarahana ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana tany amin’ny BIANCO. ยซ ๐๐ข๐ฏ๐ฆ๐ฉ๐ฐ ๐ฏ๐บ ๐ฆ๐ป๐ข๐ฌ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ต๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฉ๐ข๐ด๐ช๐ฏ’๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ฏ๐ช๐ด๐ช๐ต๐ฆ๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฏ๐ข๐ฎ๐ข๐ง๐ช๐ด๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฅ๐ช๐ฐ ๐ช๐ป๐ข๐ฏ๐บ ยป, hoy ny Minisitra.
Nivoitra taminโireo zava-bita nifampizarร nโny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON taminโny mpiasanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana koa ny efa nanombohanโireo orinasa nahafeno ny fepetra napetraky ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy), nividy ny lavanila maitso eny aminโny mpamokatra.
Nisy ny dinika fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-barotra tamin’ireo firenena mpiara-miombon’antoka toa anโi Rosia sy Sina, ary ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra DIANA izay nanokafanโny Minisitra ny Foire MEVA 2026 sady nihaonany taminโireo mpandraharaha any an-toerana.
Mitohy tsy an-kiato ny fanaraha-maso eny an-tsena hiadiana amin’ireo fanararaotana sy hiarovana ny fahefa-mividin’ny mponina, indrindra mahakasika ny vidim-bary.
Etsy ankilany, efa misy ny dinika atao miaraka amin’ireo orinasa misehatra aminโny fifandraisana an-telefaonina finday momba ny fitarainan’ny mpanjifa aminโny fisianโny fanararaotana aminโny fivarotana fahana.
Nampiavaka ity fananganan-tsaina androany ity ny fiarahabana sy fanolorana fanomezana ho an’ireo zanaky ny mpiara-miasa afaka tamin’ny fanadinana BEPC. ยซย ๐๐ด๐บ ๐ฉ๐ข๐ฎ๐ช๐ต๐ข๐ฌ๐ข ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ฏ๐ข๐ณ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ฏ๐ต๐ด๐ช๐ฌ๐ข, ๐ข๐ณ๐บ ๐ฏ๐บ ๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ช๐ข๐ฏ๐ข๐ต๐ณ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ท๐ฆ๐ณ๐บ ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ฆ๐ฉ๐ขย ยป, hoy ny Minisitra taminโizy 17 mianadahy. Naneho fankasitrahana ny fihetsika natao taminโizy ireo ny solontenan’ny ankizy nisitraka ny fanomezana.
