๐๐๐๐๐ฃ๐๐ ๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐๐ง๐๐๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฟ๐๐ผ๐๐ผ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ข๐๐ฉ๐ง๐๐ ๐ ๐ซ๐๐๐๐ค๐ก๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐จ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐๐ง๐๐๐ฃโ๐๐ฏ๐ฎ ๐๐ง๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐.
๐Nohararaotina ny fahatongavanโireo mpandraharaha ara-toekarena any aminโny Faritra DIANA ao Antsiranana hanatrika ny Foara ara-toekarena MEVA, nifanakalozan-kevitra mba hahafantarana ny zava-misy marina eny ifotony. ยซ ๐๐ฐ๐ฅ๐ช๐ฏ๐ช๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข๐บ ๐ฏ๐บ ๐ต๐ฐ๐ญ๐ฐ๐ต๐ณ๐ข ๐ท๐ข๐ฉ๐ข๐ฐ๐ญ๐ข๐ฏ๐ข ๐ข๐ท๐บ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฉ๐ข๐ฉ๐ข๐ง๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ข๐ฏ๐ข ๐ท๐ข๐ฉ๐ข๐ฐ๐ญ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฉ๐ข๐ณ๐ช๐ต๐ณ๐ข ๐ฎ๐ช๐ง๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ช๐ฌ๐ข ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ป๐ข๐ท๐ข-๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ฎ๐ข๐ณ๐ช๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON taorianโny dinika niarahana taminโireo mpandraharaha, tanora liana aminโny fandraharahana, fikambananโny mpamboly, tao aminโny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (CCI) ao Antsiranana.
โ Taminโizao fihaonana izao koa no nampahafantarana ny dingana misy ny fanatanterahana ny fanapahan-kevitra hanarenana ny seha-pihariana lavanila, ny momba ny fanasiana haba aminโny vary afarana sy ny tombony ho fanatsarana ny vidim-bokatra eto an-toerana.
โก๏ธAnisanโny nivoitra moa ny hanomezana tantsoroka ny mpandraharaha sy ny tanora liana aminโny fandraharahana aminโny alalanโny fampiofanana hahafahanโizy ireo miroso mandavaka sy mahazo tombontsoa eo aminโny tsena iraisam-pirenena toy ny tsena afrikana, eoropena sy aziatika.
