๐๐๐ฃ๐๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐๐ซ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐๐ค๐ซ๐๐ค ๐๐ค ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ).
๐Nifantoka indrindra taminโny fitadiavana lalam-barotra ho anโireo vokatra malagasy ny dinika niarahanโny tomponandraikitra avy aminโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) notarihinโny Sekretera jeneraly Gilchrist RAKOTOSON sy ny Mpiandraiki-draharaha rosiana Alexeรฏ BURIAK teny aminโny Masoivohonโi Rosia eto Antananarivo.
โ Voaresaka taminโizany ny fampiroboroboana ny fanondranana lavanila, kafe, voanjo, lamba ary ireo vokatra malagasy hafa mankany Rosia, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo aminโi Madagasikara sy Rosia, ary ny fanokafana tsena vaovao ho anโny mpandraharaha malagasy.
๐ฟ๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ฃ๐๐ง๐๐ ๐ :
๐ Oktobra 2026 : iraka ara-toekarena (mission รฉconomique) any Rosia;
๐ Novambra 2026 : fihaonana B2B an-tserasera hiarahanโny mpandraharaha rosiana sy malagasy, miaraka aminโny Antenimieranโny Varotra Rosia-Madagasikara.
Ireo hetsika ireo dia porofonโny fiaraha-miasa matotra eo aminโny Masoivohonโi Rosia sy ny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, ho fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra sy fanitarana ny tsena ho anโny vokatra malagasy.
