๐๐๐๐๐ซ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ-๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐ค๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฃ๐๐ข-๐ฅ๐๐๐ง๐๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ค ๐ ๐๐ค๐๐ค ๐จ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฎ ๐ง๐๐๐๐๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐๐ค ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐จ๐๐.
Ankoatranโny fianakavianโizy roalahy dia tonga nandray anโi Tojo sy Teddy teny am-pahatongavana ny Talenโny Kabinetra sy ny Tale jeneraly eto anivonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC), ny Talenโny Kabinetranโny Minisiteranโny Mponina sy ny Firaisankina (MPS) ary ny Mpiandraiki-draharaha vonjimaika ao aminโny Masoivoho rosiana.
Nambaranโny diplomaty rosiana Alexeรฏ BURIAK teny Ivato fa anatinโny dingana fampivelarana ny fiaraha-miasa eo aminโny Federasionanโi Rosia sy i Madagasikara no isianโizao fifanomezan-tanana izao.
Vita soa aman-tsara ny fandidiana anโi Tojo, tratranโny fahapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza sy i Teddy, mpaka sary voatifitra taminโireny toe-draharaham-pirenena ny volana Oktobra 2025 ireny.
Ny Filohanโny Fanavaozana ny Repoblikanโi Madagasikara (PRRM), ny Kolonely Michaรซl RANDRIANIRINA moa no nanao ny fandresen-dahatra ny ankilany Rosiana aminโny handefasana azy roalahy hanohy fitsaboana any Rosia. Namaly izany ny Fanjakana rosiana ka niantoka ny fandaniana rehetra.
