Passer au contenu
Ministère du Commerce et de la Consommation

Ministère du Commerce et de la Consommation

Ministère du Commerce et de la Consommation

cropped-HEADER3-WEB-MCC-260203-1356-1.png
Menu principal
  • Accueil
  • Ministère
    • MINISTRE
    • Organigramme
  • Textes et lois
    • ARRÊTÉ
    • DÉCRET
    • CONSEIL DES MINISTRES
  • REVUE DE PRESSE
  • Prix PPN
    • Situation hebdomadaire
    • Evolution mensuelle par région
  • Services publics
    • Orientation responsables
      • Direction centrale
      • Direction régionale
    • Organismes sous tutelles
    • Service Métrologie Légale
    • DGCE
    • DGCI
    • DIRCC
Portail d'Informations commerciales
  • Articles

Vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC)

mamy 14 juillet 2026 2 minutes read
1

𝙈𝙖𝙣𝙤𝙝𝙮 𝙩𝙨𝙮 𝙩𝙖𝙥𝙖𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙙𝙞𝙣𝙞𝙠𝙖 𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙣𝙮 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙝𝙖𝙧𝙖𝙝𝙖 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙛𝙖𝙩𝙧𝙖 𝙚𝙣𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙚𝙧𝙖𝙣’𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖 (𝙈𝙞𝙣𝘾𝘾) 𝙝𝙖𝙣𝙙𝙧𝙞𝙣𝙙𝙧𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙢𝙖𝙩𝙨𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙩𝙨𝙚𝙣𝙖.

👉ATSINANANA : Novorian’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, nampahafantarina ny fisian’ny haban-tseranana 20% alaina amin’ny fanafarana vary sy TVA 5% fanampiny amin’ny Riz de luxe, ireo mpandraharaha mpanafatra vary sy entana hafa ao Toamasina ny 13 Jolay 2026. Nambara tamin’izy ireo fa fepetra vonjimaika ihany izy io fa miankina amin’ny fivoaran’ny tsenan’ny vary vokatra avy eto an-toerana ny faharetan’ny fampiharana azy. Nanome toky ireo mpandraharaha ireo fa tsy hampijanona ny fanafarana izay efa nataony, fa ny habetsahany no hahenany aloha. Nampahatsiahivina azy ireo tamin’izao fihaonana izao koa ny tsy maintsy anaovany fanambaràna tahiry.

👉ATSIMO ATSINANANA : Nampahafantarin’ny DRCC Atsimo Atsinanana tamin’ireo mpamongady ao antampon-tanànan’i Farafangana ny voalazan’ny Didim-pitondrana mifehy ny fanambaràna tahiry nandritra ny fivoriana ny 13 Jolay 2024. Hahamora ny fifandraisana dia niarahana nanapaka fa hisy ny fanokafana vondrona WhatsApp izay andefasan’ireo mpandraharaha ny fanambaràna tahiry ho any amin’ny Fitaleavam-paritra. Tsy maintsy mitahiry ireo taratasy fanambaràna tahiry ireo anefa ny mpandraharaha satria dia hisy ny fitsirihana tampoka ataon’ireo mpanaramaso ny varotra.

👉ATSIMO ANDREFANA : Efa tamin’ny 09 Jolay 2026 kosa no nahavita ny famoriana ireo mpanafatra entana miasa ao Toliara, tao amin’ny biraony ao Tsianaloky, ny Fitaleavam-paritra Atsimo Andrefana. Nambaran’ny Talem-paritra tamin’izany fa fepetra vojimaika no noraisin’ny Fanjakana nandritra ny Filankevitry ny Ministra, amin’ny fanasiana hetra amin’ny vary Riz de luxe afarana. Notsipihany fa tsy tratran’io fepetra io ny vary tsotra ahitana fahavakisana 25% ka tsy tokony hisy fiatraikany amin’ny vidiny izany. Tamin’io fihaonana io koa no nampahafantarana ny fisian’ny Didim-pitondrana navoakan’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) momba ny fanambaràna tahiry.

Post navigation

Previous: Antso ho an’ny fanehoana fahalianana
Next: Fanambaràna tahiry (déclaration des stocks )

Histoires connexes

1
2 minutes read
  • Articles

Toekarena any amin’ny faritra

mamy 30 juillet 2026 0
FB_IMG_1785311955465
1 minute read
  • Articles

Fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra

mamy 29 juillet 2026 0
FB_IMG_1785214601305
1 minute read
  • Articles

Hain-trano teny amin’ny tsenan’Anosibe

mamy 28 juillet 2026 0

par date

  • Archives
  • Articles
  • Communiqués

Vous avez peut-être raté

1
2 minutes read
  • Articles

Toekarena any amin’ny faritra

mamy 30 juillet 2026 0
FB_IMG_1785311955465
1 minute read
  • Articles

Fampandrosoana ara-toekarena any amin’ny faritra

mamy 29 juillet 2026 0
FB_IMG_1785214601305
1 minute read
  • Articles

Hain-trano teny amin’ny tsenan’Anosibe

mamy 28 juillet 2026 0
FB_IMG_1785212747580
  • Communiqués

Fake

mamy 28 juillet 2026 0
Copyright © MinCC 2026 !!! All rights reserved. | MoreNews par AF themes.