๐๐ค๐๐๐ฏ๐๐ซ๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ข๐ฅ๐๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐๐ง๐ ๐๐ง๐๐ค ๐๐๐ฉ๐จ๐๐ฅ๐๐ ๐ ๐๐๐ฃ๐ฉ๐ค๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐๐๐ค ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐จ๐ ๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐.
Andro faharoa taminโny Atrikasa fampahafantarana ny Didim-panjakana lah. 2026-1986 mamaritra ny fepetra fampiharana ny Lalร na momba ny Fifaninanana.
Nambaranโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Haingotiana ANDRIAMADISON, taminโireo mpivarotra antsinjarany tonga teny aminโny Hรดtel IBIS androany fa miezaka ny Minisitera ny hanamafy ny fifandraisana sy ny fifampitokisana aminโireo mpandraharaha sy mpaninjara.
Tsy natao ho sakana amin’ny asa aman-draharahanareo ny Ministera, hoy ny Minisitra, fa mba hahafahan’ny tsirairay mahafantatra sy manatanteraka ny adidiny dia mipetraka ho mpiara-miasa sy mpanoro lalana, indrindra amin’ny fampahafantarana ireo Lalร na sy didim-panjakana. ยซ ๐๐ด๐บ ๐ฉ๐ฐ ๐ต๐ข๐ฏ๐ต๐ฆ๐ณ๐ข๐ฌ๐ข ๐ฎ๐ข๐ฏ๐ต๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ฐ๐ท๐ข๐ฏ๐ข ๐ฏ๐บ ๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ช๐ง๐ข ๐ณ๐ข๐ฉ๐ข ๐ต๐ด๐บ ๐ฎ๐ช๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ช๐ณ๐ฆ๐ด๐ข๐ฉ๐ข๐ฏ๐ข ๐ด๐บ ๐ฏ๐บ ๐ง๐ช๐ข๐ณ๐ข๐ฉ๐ข-๐ฎ๐ช๐ฆ๐ฏ๐ต๐ข๐ฏ๐ข ยป, hoy ihany izy.
Nohamafisina taminโireo mpaninjara ireo moa fa ilaina ny fametrahana ho hitanโny mpanjifa ny vidinโentana, rarร na ny fanitrihana entana hanararaotana ny mpividy ary tsy maintsy ampiasร na faktiora ny fifampivarotana eo aminโny samy mpandraharaha ara-barotra.
Nankasitrahanโireo mpandray anjara ny fotoana natokanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana ho azy ireo. ยซ Nahafantarana zavatra be dia be izay tsy fantatray ny atrikasa androany. Tombony lehibe ho anay mpivarotra ara-dalร na raha ho tanteraka tokoa izay voalazanโny Lalร na ยป, hoy Ramatoa Sarah, mpivarotra entana ilaina andavanandro eo aminโny Pavillon Analakely.
