๐๐ค๐๐ง๐๐จ๐๐ ๐ ๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ค๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐ฃ๐๐ค๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐ผ๐๐ฟ๐๐๐ผ๐๐ผ๐ฟ๐๐๐๐ ๐ฉ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐ข๐ฅ๐ค๐ฃ๐๐ฃ๐๐ง๐๐๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐ค๐ก๐ค๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฟ ๐ผ๐๐ซ๐๐จ๐ค๐ง๐ฎ, ๐ฟ๐ง ๐๐๐๐ค๐ช๐๐ ๐ฟ๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฉ๐ค๐ข๐๐ค๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ค๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ก๐๐๐๐จ๐ฎ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐๐๐จ๐๐ข-๐ฅ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐.
Nandray ny mpiara-miombonโantoka miandraikitra ny fitantanana ao aminโny MD Advisory, Dr Mabouba Diagne, tetsy Ambohidahy, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON. Ny MD Advisory moa no manampy aminโny fanomanana sy ny fandrafetana ny Fandaharanasa momba ny fampandrosoana ny fandraharahana ara-pambolena eto Madagasikara (MADP) izay tohananโny Banky Iraisam-pirenena.
Nifantoka taminโny tombotsoan’ny fiaraha-miasa ny dinika, ho fampitomboana ny vokatra aondrana, fanitarana ny tsena iraisam-pirenena, fanatsarana ny kalitao sy ny fifaninanana eo aminโny vokatra malagasy, ary fanamorana ny fidiranโireo vokatra ireo aminโny tsena ivelany.
Naneho ny fahavononany handray anjara aminโny fampiroboroboana ny fanondranana sy ny fampitomboana ny anjara toeranโi Madagasikara eo aminโny varotra iraisam-pirenena ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana.
