๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐ฎ ๐๐๐ฉ๐ง๐๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐ ๐๐ค๐ฃ๐๐๐ฉ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ง๐ฎ ๐ฃ๐๐ ๐ ๐จ๐๐ฃ๐๐ ๐๐๐ก๐๐๐ ๐๐ค ๐ฉ๐๐ก๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐๐ค๐ง๐๐ฉ๐ค๐๐ง๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ). ๐๐๐ ๐๐ฉ๐ค๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ ๐ค๐ฏ๐๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐ข-๐ฅ๐๐๐จ๐๐ ๐๐๐ค๐๐ฃ’๐ฃ๐ฎ ๐ค๐ง๐๐ฃ๐๐จ๐. ๐๐ค๐๐๐๐ฏ๐๐ฃ๐ ๐ฉ๐จ๐ฎ ๐๐ค ๐๐ฏ๐ค ๐๐ข๐ฅ๐๐๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐ ๐ค๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ฉ๐ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐๐ฉ๐จ๐๐๐๐๐ฃ๐ ๐จ๐๐ ๐๐๐ค.
๐Nalefa haingana eny aminโny Hopitaly HJRA Ampefiloha sy eny aminโny Hopitaly Andohatapenaka ireo marary tratry ny fahapoizinana ara-tsakafo teny Ivandry. Nijery ny zava-nisy sy nandray fepetra mifanandrify, na teny aminโny foibenโny orinasa na teny aminโny hopitaly ny avy aminโny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) sy ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC) Analamanga.
๐ฌSamy nakร na singa avokoa ny ambin-tsakafo sisa tsy lany tao Ivandry toy ny trondro sy saosisy, niampy ny menaka nampiasaina, salade de fruits ka halefa hatao fitiliana any aminโny ACSSQDA eo anivonโny Minisiteranโny Fahasalamam-bahoaka. Nakatona vonjimaika ny lakozian’ny orinasa ary nogiazana tsy navela ho ampiasaina koa ny vata fampangatsiahana izay hita fa tsy nanaraka ny fenitra teo aminโny hatsiaka ilaina aminโny fitehirizana sakafo.
๐ฌNy trondro niaraka taminโny saosy sy salade de pomme de terre no mety nahatonga ny fahapoizinana ara-tsakafo araka ny fitantaranโireo marary. ยซ Ny valinโny fitiliana eny aminโny laboratoara no ahitana ny tena fototry ny fahapoizinana ara-tsakafo ยป, hoy ny Talem-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana Analamanga, Teddy MAHALANONA nandritra ny fidinany sy ny ekipany teny aminโny HJRA Ampefiloha.
Natsahatry ny orinasa KONECTA avy hatrany moa ilay mpikarakara sakafo ho anโny mpiasa.
โ
Tato anatin’ny volana maromaro dia nanamafy ny fanentanana sy ny fanaraha-maso, hisorohana ny tranga fahapoizinana ara-tsakafo sy iadiana amin’ny fiparitahan’ny entana lany daty sy simba ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana, araka ny toromariky ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON.
