Passer au contenu
Ministère du Commerce et de la Consommation

Ministère du Commerce et de la Consommation

Ministère du Commerce et de la Consommation

cropped-HEADER3-WEB-MCC-260203-1356-1.png
Menu principal
  • Accueil
  • Ministère
    • MINISTRE
    • Organigramme
  • Textes et lois
    • ARRÊTÉ
    • DÉCRET
    • CONSEIL DES MINISTRES
  • REVUE DE PRESSE
  • Prix PPN
    • Situation hebdomadaire
    • Evolution mensuelle par région
  • Services publics
    • DEMARCHE A SUIVRE
    • Orientation
      • Direction centrale
      • Direction régionale
      • Service Métrologie Légale
      • Organismes sous tutelles
      • DGCE
      • DGCI
      • DIRCC
Portail d'Informations commerciales
  • Articles

Fananganan-tsaina

Mirana Faarouk 5 octobre 2026 3 minutes read
1

« 𝘏𝘢𝘱𝘦𝘵𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘦𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘦𝘯𝘥𝘳𝘪𝘬𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘴𝘺 𝘩𝘰𝘮𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘷𝘰𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯’𝘢𝘴𝘢 𝘮𝘢𝘵𝘪𝘩𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢 𝘦𝘵𝘰 𝘢𝘯𝘪𝘷𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘵𝘦𝘳𝘢 », 𝙝𝙤𝙮 𝙣𝙮 𝙈𝙞𝙣𝙞𝙨𝙞𝙩𝙧𝙮 𝙣𝙮 𝙑𝙖𝙧𝙤𝙩𝙧𝙖 𝙨𝙮 𝙣𝙮 𝙁𝙖𝙣𝙟𝙞𝙛𝙖𝙣𝙖, 𝙃𝙖𝙞𝙣𝙜𝙤𝙩𝙞𝙖𝙣𝙖 𝘼𝙉𝘿𝙍𝙄𝘼𝙈𝘼𝘿𝙄𝙎𝙊𝙉 𝙩𝙖𝙢𝙞𝙣’𝙞𝙧𝙚𝙤 𝙢𝙥𝙞𝙖𝙧𝙖-𝙢𝙞𝙖𝙨𝙖.
📌Nanome toerana bebe kokoa ny momba ny sehatr’asa misy eto anivon’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sy ny maha-olona ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON nandritra ny fandraisam-pitenenany taorian’ny fananganan-tsaina tetsy Ambohidahy.
Hisy indray, araka ny fampitam-baovao, ny fanadinam-panjakana handraisana Kaomisera sy Mpanaramaso ny Varotra sy ny Fifaninanana ho famaliana ny filàna. Efa natomboka ary tohizana moa ny ezaka amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Kaomisera sy Mpanaramaso amperin’asa, toy izay notanterahina tamin’ny alalan’ny fampiofanana momba ny teknika fanaovana fanadihadiana tetsy Mahamasina vao tsy ela akory izay.
➡️Nampahatsiahivin’ny Minisitra fa anisan’ny nanamarika ny volana Septambra lasa iny ny fanamafisana ny firaisankina ka nanolorana fanomezana ho an’ireo zanaky ny mpiara-miasa afaka fanadinam-panjakana, sy fizarana fitaovam-pianarana niatrehana ny fidiran’ny mpianatra, ary ny fandraisana sy fiarahabana ireo solontenan’ny Minisitera nandray anjara tamin’ny ASIEF tany Mananjary.
Amin’ity volana ity moa dia hisy ny hetsika « October Rose » hampahafantarana sy hanentanana momba ny ady amin’ny homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy.
📢Anisan’ny vaovao nifampizaran’ny Minisitra tamin’ny mpiara-miasa koa ny fandanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny Volavolan-dalàna momba ny Fepetra fanitsiana ara-barotra sy fananganana ny Tahirim-bola fanohanana ny fampandrosoana sy ny fanadiovana ny varotra. Hisy fiantraikany lehibe amin’ny fanatsarana ny asan’ny Minisitera miaraka amin’ny Kaomisera sy Mpanaramaso ny Varotra sy ny Fifaninana izany raha lany soa aman-tsara eny amin’ny Mpanao Lalàna.
Ankoatra izay dia nankatoavina ny hamadihana ny lafarinina simba ho sakafom-biby.
✅Mitohy ny fitsinjovana ny tantsaha amin’ny fividianan’ny SPM (State Procurement of Madagascar) vary akotry eny amin’izy ireo. Tany amin’ny Faritra Vakinankaratra, Alaotra-Mangoro ary Bongolava no nirotsahana tamin’izany.
✅Mitohy ny ezaka amin’ireo vokatra stratejika sy manana lanja eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay nahitana fivoarana mihoatra noho ny tamin’ny taona lasa.
Eo amin’ny lavanila, efa nisy ny fepetra noraisina niaraka tamin’ny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy) ka nahitana vokatra tsara teo amin’ny tsena sy ny vidiny.
Ho an’ny kakao kosa, dingana lehibe ho an’i Madagasikara ny fandraisany ny toerana maha-Filohan’ny Filankevitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Kakao (ICCO) azy ary manome fahafahana hanandratana ny lanjan’ny kakao malagasy izany.
🟢Amin’ny maha-Minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra ny Minisitra Haingotiana ANDRIAMADISON dia misy ny asa fampandrosoana ny any anivon’ny kaominina any amin’ny Faritra Vakinankaratra sahaniny. Nisy ny fidinany tany amin’ny kaominina ao anatin’ny Distrikan’Ambatolampy sy Betafo.

Post navigation

Previous: Fandaharana manokana iarahana amin’i Praiminisitra lehiben’ny Governemanta Mamitiana RAJAONARISON – 04 Octobre 2026
Next: Madagascar – Chine

Histoires connexes

2
1 minute read
  • Articles

Fiarovana ny mpanjifa

Mirana Faarouk 8 octobre 2026 0
1
2 minutes read
  • Articles

Iraka ara-toekarena sy ara-barotra any Sina

mamy 8 octobre 2026 0
1
  • Articles
  • Communiqués

Filan-kevitry ny ministra

Mirana Faarouk 7 octobre 2026 0

par date

  • Archives
  • Articles
  • Communiqués

Vous avez peut-être raté

2
1 minute read
  • Articles

Fiarovana ny mpanjifa

Mirana Faarouk 8 octobre 2026 0
1
2 minutes read
  • Articles

Iraka ara-toekarena sy ara-barotra any Sina

mamy 8 octobre 2026 0
1
  • Articles
  • Communiqués

Filan-kevitry ny ministra

Mirana Faarouk 7 octobre 2026 0
1
1 minute read
  • Articles

Vaovaon’ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC)

Mirana Faarouk 6 octobre 2026 0
Copyright © MinCC 2026 !!! All rights reserved. | MoreNews par AF themes.