๐๐ฅ๐๐ ๐๐ข๐๐๐ฃ๐ ๐ข๐๐ง๐ค๐ข๐๐ง๐ค ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ซ๐๐ง๐ฃ๐๐ข๐๐ฃ๐ฉ๐, ๐ฃ๐ค๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ง๐๐๐ข๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ข๐๐ฉ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ผ๐ ๐ผ๐๐๐ผ๐๐๐๐๐, ๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐๐๐ ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ฃ๐๐ง๐ค๐ฃ๐ ๐๐๐พ๐๐๐ผ ๐๐ฏ๐๐ฎ ๐ข๐๐จ๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ก๐๐ข๐๐.
Nitohy taminโny fitsidihana ny Vondrona SOCOTA ny fandaharam-potoananโireo mpikambana ao aminโny Governemanta taorianโny fanotronana ny famoahana ireo manamboninahitra ao aminโny Andriany iraisam-piadiana faha-22 tao aminโny Akademia Miaramila Antsirabe.
Anisanโireo niara-dia taminโny Praiminisitra taminโizao fidinana teny aminโity Vondronโorinasa ity izao ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON.
Nandritra ny fitsidihana dia nijery akaiky ny fizotry ny asa sy ny famokarana eo anivonโny Vondrona indostrialy SOCOTA ny delegasiona. Mampiavaka azy ny rojo famokarana mitambatra eo aminโny sehatry ny lamba, manomboka aminโny fanodinana sy fanamboarana lamba ka hatraminโny famokarana akanjo vita, mitondra ny ยซ Made in Madagascar ยป eny aminโny tsena iraisam-pirenena.
Fotoana nanasongadinanโny Praiminisitra ny anjara toerana lehibe sahaninโny sehatra tsy miankina aminโny fampandrosoana ny Firenena, indrindra aminโny famoronana asa, ny fampiroboroboana ny indostria sy ny famokarana eto an-toerana, ary ny fanamafisana ny fahafahanโi Madagasikara mamokatra sy manondrana.
Notsindriany fa mila sehatra tsy miankina matanjaka sy mamokatra i Madagasikara, ary manana andraikitra ny Fanjakana aminโny fametrahana tontolo manamora ny fampiasam-bola, ny famoronana asa ary ny fampitomboana ny sanda ateraky ny famokarana eto an-toerana.
Ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) moa dia manome tantsoroka amin’ny fanokafana ny lalam-barotra sy fampiroboroboana ny fahafahan’ireo vokatra avy eto Madagasikara mifaninana eo amin’ireo tsena iraisam-pirenena toy ny tsenan’ny AGOA, tsena eoropeana, tsena aty amin’ny Kaontinanta afrikana, faritry ny SADC, COMESA sy hafa koa.
