๐ฟ๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ก๐๐๐๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐ค๐๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ก๐๐ซ๐ค๐ก๐๐ฃ-๐๐๐กร ๐ฃ๐ ๐ข๐ค๐ข๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฅ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐จ๐๐๐ฃ๐ ๐๐ง๐-๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐๐ง๐๐ข-๐๐ค๐ก๐ ๐๐๐ฃ๐ค๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ข๐ฅ๐๐ฃ๐๐ง๐ค๐จ๐ค๐๐ฃ๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐ค๐ซ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐.
Natao hanamafisana sy handrindrana ny Lalร na aminโny fametrahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra sy fiarovana ny seha-pihariana eto an-toerana ny Volavolan-dalร na vao nankatoavinโny Filan-kevitry ny Minisitra ny Talata 29 Septambra 2026 lasa teo.
Io Volavolan-dalร na io dia milaza ny fomba atao rehetra rehefa hanatanteraka ny fepetra fanitsiana ara-barotra toy ny fepetra momba ny fanariam-bokatra (anti-dumping), fepetra fanonerana (compensatrice) ary ny fepetra fiarovana (sauvegarde).
Tombony aminโity Volavolan-dalร na ity koa ny fahafahana mampiasa ireo vola azo avy aminโny fampiharana ny fepetra mba ho tosika aminโny fampandrosoana ny sehatry ny varotra.
ยซ ๐๐ป๐ข๐ฌ๐ข ๐ญ๐ฆ๐ฉ๐ช๐ฃ๐ฆ ๐ฏ๐ฐ ๐ข๐ต๐ข๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ช๐ต๐ฐ๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ข๐ฎ-๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ฌ๐ข๐ฏ๐ข ๐ฉ๐ฐ ๐ข๐ฎ๐ช๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐ง๐ข๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ฅ๐ณ๐ฐ๐ด๐ฐ๐ข๐ฏ๐ข ยป, hoy ny Tale jeneralinโny Fahefam-pirenena misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) BARTHELEMY raha naneho hevitra momba ity Volavolan-dalร na narosonโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) teo aminโny Filan-kevitry ny Minisitra ity izy. Tombony lehibe rehefa afaka miantoka ny ampahany betsaka aminโny filร na ny seha-pamokarana eto an-toerana.
