![]()
![]()
๐๐๐ข๐ฎ ๐ข๐๐๐ฏ๐๐ ๐ ๐ข๐๐ฃ๐ค๐ข๐ ๐ก๐๐ฃ๐๐ ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ข๐๐ข๐ฅ๐๐๐ซ๐๐ ๐ ๐๐ฏ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐จ๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฃ๐ฎ. ๐๐๐ฃ๐ค๐ข๐ ๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐ค๐ง๐ค๐ ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐ฃ๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐จ๐๐ฉ๐๐ง๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ง๐ค๐ฉ๐ง๐ ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐๐๐๐ฃ๐ (๐๐๐ฃ๐พ๐พ) ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐๐ก๐๐ก๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ง๐๐ฃ๐ฉ๐จ๐๐ข๐๐ฃ๐๐๐๐ ๐๐ฃ๐ฎ.
ITASY : Mikaroka hevitra hanatsarana ny seha-pihariana ovy ny any Itasy. Tantsaha maro no tonga nanatrika ny fivoriam-benโny Federasiona IKOloana TAntsaha MIhary ato amin’ny Faritra Itasy (FIKOTAMIFI) ny 15 Septambra 2026 tao Miarinarivo. Samy namoaka ny olana mianjady aminy ireo mpikambana ho fanatsarana ny kalitao hahafahana manatsara ny vidinโny ovy sy ho fitadiavana lalam-barotra eo amin’ny fivarotana ny vokatra.
BOENY : Mikasa hametrahana ny Vovonana ho anโny voa maina ny any aminโny Faritra Boeny. Nandraisanโireo voakasika anjara toy ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana (DRCC), ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena sy ny Fahaleoavantena ara-tsakafo (DRASA), ny Antenimieranโny Varotra sy Indostria (CCI) Mahajanga, ny Filohanโny Vovonana Black eyes, ireo mpanohana ara-bola toy ny FSRP ary ny solontenanโny mpamboly voa maina ao Ambatoboeny ny fivoriana voalohany momba izany izay notontosaina tao Mahajanga ny 16 Septambra 2026.
FITOVINANY : Nisy ny fidinana ifotony niarahana tamin’ny ekipa avy ao amin’ny Faritra, ny Fitaleavam-paritry ny Fambolena, ny Fitaleavam-paritry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny avy ao amin’ny Tetik’asa PIC 3, ny 05 sy 07 Septambra 2026, mba ho fanomanana ny taom-piotazana jirofo any amin’ny Faritra Fitovinany. Izany no natao dia hijerena ny fivoaran’ny felana jirofo, hahafahana mamaritra ny daty hisokafan’ny taom-piotazana. Kaominina 4 no nanaovana izany dia Ampasimanjeva, Ambila, Amborobe ary Vohitrindry. Mbola hisy ny fivoriana iarahana amin’ny CROF handraisana fanapahana.
ITASY : Tanjonโny Atrik’asa tao aminโny Efitrano fivorianโny CCI Miarinarivo ny fampahafantarana ny Lalร na mikasika ny fahazoana Fanamarinana ny maha-azo hohanina (Certificat de consommabilitรฉ) sy Fahazoan-dalana hametraka ny vokatra hamidy eny an-tsena (Autorisation de mise en commercialisation) eo amin’ny Seha-pihariana fanodinana ronono. Nandray anjara taminโizany ireo mpandraharaha aminโny fanamboarana fromazy sy yaourt ary ny Tetikasa MDB PROFI-LAIT.
