๐๐๐ฃ๐๐ค ๐ฉ๐ค๐ข๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ง๐๐๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ฃ๐๐ฅ๐๐๐๐ฃ-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฃ๐ค๐ง๐๐๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐๐ฃ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐-๐ฅ๐๐๐๐๐ง๐๐๐ฃ๐ ๐๐๐ซ๐๐ฃ๐๐ก๐ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐ก๐๐ฃ๐ ๐๐ซ๐-๐ฅ๐๐ฉ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ผ๐๐
Tontosaina etsy Ambodivona mandritra ny roa andro ny Fivorianโny Filankevi-pitantananโny AVM (Alliance pour la Vanille Malagasy), aty aminโny telo volana aorianโny fivoriana voalohany tany Antalaha sy Sambava. Mitarika izany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) Haingotiana ANDRIAMADISON izay sady Filohanโny Filankevi-pitantanana.
Mandritra izao fihaonana izao no iresahana momba ny fanatanterahana ny fepetra sy ny lamina mikasika ny fividianana lavanila maitso mivantana eny aminโny tantsaha, ny momba ny ARV (Alliance Rรฉgionale pour la Vanille), ny fanomanana ny taom-piotazana manaraka ary lohahevitra hafa koa.
Ny AVM moa no rafitra nasolo ny Filankevitra nasionaly momba ny Lavanila (CNV) teo aloha. Tanjonโny AVM ny fampifandraisana sy fandrindrana ireo mpisehatra aminโny lavanila toy ny mpamokatra, mpanangom-bokatra, mpikarakara lavanila, mpanondrana ary ny Rafi-panjakana.
