๐๐๐๐๐๐๐ฃ-๐ ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ฉ๐๐ฉ๐จ๐ฎ ๐ผ๐ข๐๐ค๐๐๐๐๐๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐ค๐ข๐๐ ๐๐๐ข๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐ฃ๐ฎ ๐จ๐๐ฃ๐๐ ๐๐ข๐ฅ๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐ ๐๐ข๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐ซ๐ค๐ ๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐๐๐๐ฃ๐๐ฃ๐ ๐๐๐๐๐ง๐๐ฃ๐, ๐ข๐๐๐๐ฉ๐ง๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐จ๐๐ง๐๐ฃ๐๐ฃ๐, ๐จ๐ฎ ๐ฃ๐ฎ ๐๐๐๐ฃ๐ฉ๐ง๐๐๐ ๐๐ฃโ๐๐ฏ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ค ๐๐ข๐๐ฃโ๐ฃ๐ฎ ๐ซ๐๐๐๐ฃโ๐๐ง๐๐ค ๐๐ฃ๐ฉ๐๐ฃ๐ ๐๐ฃ๐ฎ ๐๐ฃ-๐ฉ๐จ๐๐ฃ๐ ๐๐ฉ๐ค ๐๐ฃ-๐ฉ๐ค๐๐ง๐๐ฃ๐.
Niantsoanโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) ny Foibem-pitondrana ankapobenโny Fadintseranana sy ny Fahefam-pirenena misahana ny Fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) ny dinika momba ny sanda nifanarahana (valeurs concertรฉes) mikasika ireo vokatra ara-tsakafo hafarana, indrindra ny ronono mandry, ny paty ary ny bisky. Mety hampiakatra ny masonkarenanโny fanafarana mantsy ny fampiharana sanda nifanarahana avo loatra ka mety hiteraka fiakaranโny vidinโireo vokatra eny an-tsena izany.
Nitarika ny fivoriana ny Sekretera jeneralinโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana, Gilchrist RAKOTOSON. Nandray anjara taminโny dinika koa ny avy aminโny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC), ary ny Foibem-pitondranโny Fifaninanana sy ny Fandrindrana ny tsena (DCRM).
Ho anโny Minisiteranโny Varotra sy ny Fanjifana dia tanjona
– ny fiarovana ny mpanjifa,
– ny fitazonana ny vidinโireo vokatra ilainโny mponina andavanandro (PPN) ho marin-toerana,
– ny fiarovana ny sehatra famokarana eto an-toerana,
– ny fitandroana ny fifaninanana ara-drariny sy ara-pahasalamana eo aminโny vokatra eto an-toerana sy ireo vokatra hafarana.
Tsy maintsy arindra aminโny fiheverana ireo fepetra takianโny fidiram-bolam-panjakana sy ny fanaraha-maso ataonโny Fadintseranana anefa izany rehetra izany.
